Politique

Didier Ratsiraka Fahanginana hafahafa !


  • Alakamisy 26 Mey 2011

Tsy nahenoam-peo mihitsy hatreto ny Amiraly Didier Ratsiraka momba ny fihaonana an-tampony izay hatao any Gaborone.

 Na izy na ny olony dia tsy mbola nisy naneho ny heviny aloha hatreto. Izany aza no toa nanararaotan’ny mpanakorontana nanely hatramin’ny faran’ny herinandro teo fa namoy ny ainy izy. Toe-javatra izay inoana fa feo naely fotsiny ihany satria raha olobe toy ireny no misy zavatra mahazo azy dia inoana marina fa tsy maintsy vetivety dia misy vaovao ofisialy azo eto an-tanindrazana. Ny zava-misy aloha dia efa nanome ny heviny izy fa manohana ny tolona izay ataon’ny Ankolafy telo izay izy rahateo ny lehiben’ny iray amin’ireo. Manaraka izany, efa naneho hatrany izy fa miray hevitra amin’ny Filoha Marc Ravalomanana ihany koa amin’izay rehetra mety ho fanapahan-kevitra mitranga. Efa nisy rahateo ny fihaonan’ny roa tonta ka nanamafisan’ny Amiraly Didier Ratsiraka an’izany. Heverina, araka izany, fa fanamafisana orina ny fanapahan-kevitra efa noraisiny ny tsy fanehoany hevitra amin’ny zava-misy ankehitriny.

Efa betsaka no noteneniny ary efa maro ihany koa ny andraikitra noraisiny. Na ireny fandehanany mamonjy fivoriana maro tao Maputo ireny aza ireny aza dia efa ezaka lehibe avy amin’ny Amiraly izay efa itambesaran’ny taona ihany. Inona koa moa no hotenenina manoloana an’ireto tompon’andraikitry ny FAT izay mitazona mafy ny sezany ? Izay mangina volamena, angamba, hoy ny Amiraly fa dia ho hita eo ihany ny fivoaran-javatra

 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT