Politique

Dian’ny FAT any ivelany “Fanamaivanana ny sosialim-bahoaka fotsiny ihany”, hoy i Shabberah


  • Alakamisy 19 Mey 2011


Tsy hitondra na inona na inona amin’ny famahana ny krizy misy eto amin’ny firenena, araka ny nambaran’i Shabberah, ilay mpaminany vavitokana aty Afrika ny anton-dian’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina sy ireo delegasiona tarihiny any ivelany fa fanamaivanana ny sosialim-bahoaka fotsiny ihany. Tafiditra ao anatin’izany, araka ny nambaran’i Shabberah ihany, ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka amin’ny fananganana orinasa afaka haba hahafahan’ireo olona very asa miverina miasa indray.

Mizotra araka ny tokony ho izy io fitadiavana mpiara-miombon’antoka any ivelany io hatreto araka ny nambaran’i Shabberah ihany saingy maharitra dia maharitra vao mety hahitam-bokany. Ankoatra ity resaka sosialim-bahoaka ity moa dia nanambara ihany koa ity mpaminany vavy ity fa efa hitany sy fantany izay olona hitondra ny firenena aorian’ny fifidianana. Kisarisary toy ny fianjerana mpanankato iray miakanjo fotsy avy eny amin’ny Rovan’Andafiavaratra no nambarany fa fomba hialan’ny filohan’ny FAT eo amin’ny toerana ary hahataperan’ny fitondrana tetezamita.

Pati

Sary : Shabberah, ilay mpaminany vavitokana aty Afrika, mitana ny teny nomeny hatrany
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT