Politique

Diaben’ny Ankolafy Telo Nivoha nidanadana ny varavaran’ireo masoivoho


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Roso ny diaben’ny Ankolafy Telo mitety ireo masoivohom-pirenena vahiny, nanomboka omaly, nampahafantatra tamin’izy ireny ny zava-misy marina eto Madagasikara fa sady tsy ara-dalàna no tsy manan-kery io fitondrana mijoro ankehitriny io, araka izay efa nambaran’ny Profesora Zafy Albert, teny amin’ny “Villa Elisabeth” ny alarobia 02 martsa.

Nambaran’ny rain’ny demokrasia tamin’izay fa «efa ela i Andry Rajoelina no tsy tokony hitondra» an’ity Madagasikara ity ary «tsy ara-dalàna ka tokony horavana ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita», izay niantsoany ny tafika mihitsy moa hanidy ireo. Nisokatra nidanadana ho an’ny Ankolafy telo ny varavaran’ny Masoivohon’i Chine, Alzeria eny fa na ny FFKM aza ny andro voalohany omaly. Ny ambasadaoron’i Alzeria, Abdelaziz Benali, izay zokiolona, ela niasana, amin’ireo samy diplaomaty eto Madagasikara, aza dia nisafidy ny nandray sy nifampidinika tamin’ny delegasion’ny Ankolafy Telo toy izay niatrika ny fanaovana rangopohy ny sori-dalan’ny Dr Simao teny amin’ny trano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato. Zava-dehibe sy manana ny lanjany izany.

Marihina fa nitarika ny delegasiona tamin’ity rodobe ity, ny Pr Ange Andrianarisoa avy amin’ny Ankolafy Ratsiraka, Dr Emmanuel Rakotovahiny, Ankolafy Zafy ary Manandafy Rakotonirina avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Niara-dia tamin’izy ireo ny Profesora Zafy Albert raha ny tazana teny Behoririka, mifanila amin’ny Magro, misy ny masoivohon’i Alzeria, saingy tsy niditra tany an-trano izy ho fanajana ny harofenitra araka ny fanazavany fa niandry ny delegasiona tao anaty fiara tety ivelany. Na izany aza dia nivoaka ny birao fiasany, ary tonga niarahaba ny filoha Zafy Albert teny ivelany ny ambasadaoron’i Alzeria, taorian’ny nandraisany ny delegasion’ny Ankolafy Telo.

Nanamafy ny tokony hanatanterahana fihaonana an-tampony eto Madagasikara, iarahan’ireo lehiben’Ankolafy efatra sy mpitarika politika eto an-toerana, ny Pr Ange Andrianarisoa, hikatsahana vahaolana iraisana mba tsy hisian’ny krizy intsony, ka hananganana tetezamita iraha-mitantana. Izay, araka ny nambarany, no anton-dia sy votoatin’ny taratasy aterin’izy ireo, ka nanararaotany nanaovana fanamarihana fa tsy misy resaka fananganana governemanta manokana hataon’ny ankolafy telo izany. Nanamafy io fanazavany io Atoa Fetison Rakoto Andrianirina raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TV Plus omaly hariva, nifandahatra tamin’i Alain Andriamiseza manodidina ny fanaovan-tsonia sy/na rangopohy ny sori-dalan’ny Dr Simao teny Ivato omaly. Mikasika izay indrindra dia nilaza i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny Ankolafy Zafy fa tsy mamaha ny krizy iny sori-dalana iny.

Nanamafy izany Rtoa Ihanta Randriamandrato, Sekretera jeneralin’ny antoko Teza, anisan’ny delegasiona tao amin’ny ambasadin’i Alzeria, nilaza fa «matoa mbola mandray ny Ankolafy Telo ireo masoivohom-pirenena samihafa dia tsy mbola mifarana amin’iny teny Ivato iny akory ny dinika famahana ny krizy. Ka aminay dia fahombiazana ny dingana vita hatreto». Nanamafy i Tabera fa “tratra ny tanjona ary miroso hatrany ny dia”. Nizotra tamim-pilaminana, tsy arakaraka ny ahiahin’ny FAT izay nandefa ny Emmo-Reg nihainohaino teny manodidina, ny dian’ny delegasiona omaly. Hihazo eny amin’ny Galaxy Andraharo indray ny dian’ny Ankolafy Telo amin’ity anio ity hanolotra taratatasy amin’ny solontena maharitry ny Firenena Mikambana. Hanaraka eo ny an’ny masoivoho Amerikanina, ka hihazo an’Andranomena indray ny delegasiona, mety ho rahampitso zoma.

 
Jean D.
 

Sary : Tetsy amin’ny masoivohon’i Alzeria Behoririka omaly tolakandro

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT