Politique

Depiote Jean Ernest ”Ho avy maro izahay Vakinankaratra !”


  • Alarobia 11 Mey 2011

Hetsika natokana ho an’ireo gadra politika anio alarobia, hoy ny feo nanakoako tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.

 . “Ao anatin’ny Rodobe ihany koa ny fitakiana ny famoahana ny gadra politika”, hoy Rangonarison Guy Roger. “Namantsika ny gadra politika ka hotronintsika izy ireo», hoy ny fanamafisana nataon’i Olivier Rakotovazaha. Fa notolorana anjara fitenenana ny ankamaroan’ireo gadra politika efa tafavoaka ny fonja omaly. Iray amin’ireny Rtoa Odette Manantsoa izay nijoro vavolombelona, efa in-telo tany Antanimora, ka nanamafy fa hijoro hatrany mandra-piverin’ny ara-dalàna.

Faranana ny krizy fa mafy loatra, hoy ny Pasitera Edouard, izay efa voatana telo volana tany am-ponja sady nafindrafindra toerana. Tapitra amin’ity volana mey ity ny resaka rehetra, hoy izy, ary hirodorodo isika hanavotra an’i Madagasikara. Nandalo tao Behoririka koa ny Depioten’Antsirabe I, Rakotomiandrisoa Jean Ernest, izay nanamafy fa “efa nogadraina tokoa izahay ary niaritra ny mafy ka tsy maintsy mandroso. Ho avy maro izahay Vakinankaratra toy ny efa nataonay teny Ivato ka tsy hiala izahay raha tsy tafapetraka ny zavatra nifanekena”, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT