Politique

Depiote Fabergé Gabriel Rariny ny fitoriana nataon’ny Filoha Ravalomanana


  • Alakamisy 27 Janoary 2011


“Tsy marina ny filazana fa hoe miala amin’ny fifampidinihana ny ankolafy Ravalomanana fa mbola vonona tanteraka amin’izany hatrany izahay”, hoy ny Depiote Mamitiana Fabergé Gabriel anisan’ny mpitondra tenin’ny parlemantera Tiako i Madagasikara. “Rariny ny an’ny Filoha Marc Ravalomanana”, hoy izy, “raha niteny ny amin’ny tsy tokony hifampidinihana amin’ny mpanongam-panjakana intsony noho ny fampiharana ny fifanarahan’i Cotonou. Nenjehina foana izy hatramin’izay hoe izao na izaroa ary nanala tena teo amin’ny fitondrana. Nofofoina ho faty izy sy ny fianakaviany ary nopotehina ny fananany maro mba tsy hilazana fa izy rehetra ka rehefa misy ny mijoro ho vavolombelona nilaza ny marina tamin’ny fisian’ny fanonganam-panjakana teto dia rariny ny azy raha mametraka fitarainana sy fitoriana eo anivon’ny fitsarana malagasy izy. Ho hita eo moa raha voaporofo fa tena mahaleo tena marina ny fitsarana eto amintsika”, hoy ity depiote voafily tao Bekily ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT