Politique

Delegasionin’ny COI Nakambany ny fihaonany tamin’ny jly Dolin sy Raharinaivo


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011


Raha nifandimby nihaonan’ny delegasionin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina na COI notarihin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny maorisianina, Dr Arvin Boolell ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita (FAT), Andry Rajoelina, ny praministra Camille Vital ary ny ministry ny raharaham-bahiny Yvette Sylla, izay samy ao anatin’ny rafitra mpanatanteraky ny FAT, dia nanaitra fa nakamban’izy ireo ny fihaonana tamin’ireo lehiben’ny andrimpanjakana mpanao lalàna roa ao amin’ny FAT, dia ny Jeneraly Rasolosoa Dolin, Filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny Filohan’ny Kongresy, Raharinaivo Andrianatoandro, izay natao tao Anosikely teo anatrehan’ireo Filohan’ny Vaomieran’ny Fifandraisana amin’ny any ivelany Elia Ravelomanantsoa sy Razafindrabe Jean.

Tamin’izany ary no nanambaran’ny Dr Arvin Boolell fa tsy azo ihodivirana ny tondrozotra izay natao rangopohy, ary vonona ny COI, hoy izy hanohana azy io mandritra ny fivoriana an-tampony tsy ara-potoana hataon’ny SADC ato ho ato, mba hivoahana amin’izao krizy izao. Vonona ny hanome tanana ny Malagasy ihany koa ny COI amin’ny fanomanana sy fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny besinimaro. Nomarihin’ity minisitry ny raharaham-bahiny maorisianina ity moa fa ahitana soritra sahady ny fisokafana takina ny firafitry ny andrimpanjakana mpanao lalàna roa tonta ahitana ireo antoko politika maro.

Na ny Filohan’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita na ny Filohan’ny Kongresy dia samy nanamafy ny maha zava-dehibe izao fitsidihana nataon’ny avy amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina izao, ary manantena izy ireo fa hifarana amin’izay ity krizy ity. Handray ny andraikiny moa ny andrimpanjakana roa tonta amin’ny fandinihana ny fepetra momba ny fampitoniana, ny sata hifehy ny antoko politika ary ny sata hifehy ny mpanohitra.

Andrasana moa ny fanitarana ireo andrimpanjakana roa vao hotanterahina ny fivoriana izay handinihana ireo voalaza eo aloha ireo.

 
Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT