Politique

CT Taheza (AMSM) “Diso lalana ny SADC”


  • Talata 01 Febroary 2011


«Tsy tia tanindrazana ny ankolafy Ravalomanana tarihan’i Mamy Rakotoarivelo ankehitriny», hoy i Taheza, Filoha nasionalin’ny antoko AMSM (Antoko Miaro ny Sarangan’ny Malagasy) sady mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, «fa avy amin’izy ireo no tena mampikatso ny toe-draharaham-pirenena eto amin’ity mametraka izao fepetra samihafa izao ao anaty fifanarahana». «Izay tena tia tanindrazana» hoy izy, «aoka hijery hoe : inona no mety, inona no tsy mety eto amin’ity firenena ity ? Satria anao sy ahy i Madagasikara. Andao hifampidinika, andao hiara-kisalahy satria mijaly ny vahoaka eto amin’ity Nosy ity. Ka tsy hifanasa vangy foana no atao eto». Nambaran’ity Filohan’ny AMSM ity koa, fa «dia diso lalana ry zareo solontenan’ny SADC manankim-po ny raharaha any amin’ny CNOSC», hoy izy, «fa ny ESCOPOL hivondronan’ireo antoko politika maro eto amintsika no tena “médiateur national” eto amin’ny tanin’ny Malagasy. Tsy irery ireo amin’izany fa manampy azy ao ny fikambanana samihafa toy ny Taonilahy, ny Toliara Mijoro ary ireo fikambanam-behivavy isan-tsokajiny». Ara-bakiteny eto ny “tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany”.

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT