Politique

Constant, Tabera, Rév. Satrobory Misy mifofo ny ain’izy ireo !


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Mivadika politika maloto ny raharaha eto Madagasikara. Rehefa tsy manan-kevitra handresen-dahatra ny vahoaka ny sasany ka tapi-dalan-kaleha dia any amin’ny fifofoana aina indray no mitady hiala vokona.

Lasibatra amin’izany ry Constant Raveloson, Tabera Randriamanantsoa ary ny Rév Ndrianalijohn Andriamanampy na Satrobory. Olona tsy zoviana eo amin’ny tontolo politika malagasy ireo, samy mivantambatana fiteny izay. Ankoatra izay dia anisan’ireo mpanao politika nijoro hatrany nanohitra ny tsindrihazolena, sy fanosihosena ny zo aman-kasina maha olona ary sarotiny amin’ny tany tan-dalàna ireo, eny fa na ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza izany. Olon’ny “Mafana” rahateo itsy voalohany sady sendikalista, mpikambana ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Avy amin’ny Ankolafy Zafy ary anisan’ny mafana fo tao amin’ny andron’ny CRN indray i Tabera ary olona tsy mba mihemotra amin’ny zavatra ataony raha ny afahantarana azy. Ny Rév. Satrobory, indray dia olona mitakosina amin’ny eny ambany tanàna, mahalala tsara ny zava-misy eny.

Nitolona ho an’ny madinika sy ny fitovian-tsaranga no nirotsahany teo amin’ny sehatra politika tamin’ny alalan’ny AMF/3FM. Sarotiny ny lehilahy raha izay zon’ny madinika izay no voatohintohina. Ankehitriny anefa dia fantatra fa misy mifofo ny ain’izy ireo. Mitombo izay fankahalana izany taorian’ilay fipoahan-javatra nitranga teny amin’ny Marais Masay ny alakamisy 03 martsa 2011 lasa iny. Raha nanao fampitam-baovao ny mpiandraikitra ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny tetezamita ny ampitson’io tranga io, dia nanao izay hampifaningotra an’i Constant Raveloson tamin’iny raharaha, izay nanaitra ny maro ihany. Tsy lavitr’izay koa ny an’i Tabera Randriamanantsoa. Ny an’ny Rév. Satrobory moa tsy vao izao ny fandrahonana sy ny fifofoana azy, fa efa nisy nitoraka “cocktail molotov” saika hisy handoro ny fiangonany etsy Andavamamba tamin’ny 2009 ireny. Hitondra fampitoniana ity firenena ity ve anefa ny fanilihana mihatra aman’aina ireo olona ireo ? Mbola hitohy …

 
Jean D.
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT