“Avelao hahalala ny marina ny olona”, hoy Raveloson Constant, avy amin’ny antoko MFM, ankolafy Ravalomanana, manoloana ny fandikana ny fehin-kevitra tamin’ny fivorian’ny Sadc natao tany Windhoek ny 20 mey lasa teo.
Samy manana ny nandikany azy tokoa ilay hafatra ka samy nandrirotra araka izay nahamety azy, indrindra moa fa ry zareo avy ao amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita ka dia nandihy nialoha ny fotoana. “Tsy fahalalana ny dingana fanao iraisam-pirenena no mahatonga izany”, hoy Raveloson Constant. Fiaingana ny tondrozotra fa tsy fifanarahana, hoy izy. Tsy misy filazana mihitsy ao anatin’ilay fehin-kevitra, hoy ihany Raveloson Constant fa nankatoavin’ny Sadc ny tondrozotra natao rangopohy teny Ivato na koa hoe nahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena i Madagasikara, hoy ihany izy. Ny diniky ny Sadc ny 20 mey teo dia nanome toromarika an’ingahy Joaquim Chissano sy ny Sadc ireo mpivory mba hampihaona ireo ankolafy malagasy rehetra hanao fampihavanana. Hisy, araka izany, karazana vaomiera hatsangana hanomana io fampihaonana io izay hatao any Gaborone, Botswana.
Midika ireny fa mbola any ambadik’io ny fankatoavana sy ny fifidianana, hoy ihany ity mpanao politika ity. Mikasika ireo andian’olona efa nampaneno kiririoka sahady teny an-dalambe, nifaly noho ny filazana fa neken’ny Sadc ilay sori-dalana dia nambaran’i Constant Raveloson fa dia fandatsana an’i Andry Rajoelina ireny, satria izy nitotototo nandresy lahatra tetsy sy teroa kanefa dia toa vao mainka nampilentika ny FAT ny vokatry ny diniky ny Sadc. Etsy andanin’izany moa dia nohamafisiny fa mila mahalala ny marina ny vahoaka. Noho izany dia hisy ny fampahafantarana ny olona ny tena votoatin’ny vokatry ny diniky ny Sadc momba ny raharahan’i Madagasikara hataon’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.