Politique

«Compte de dépôt” Mitroka vola amina miliara isam-bolana ao ny FAT


  • Alakamisy 17 Febroary 2011

Vola tsy hita pesipesenina no mivoaka tsy ara-drariny ao amin’ny kitapombolam-panjakana hatramin’ny nisian’ny FAT.

Tsy latsaky ny 44 miliara ka hatramin’ny 64 miliara isam-bolana ny vola alain’ny FAT ao amin’ny kitapombolam-panjakana amin’ny alalan’ny fanaovana ny «Compte de Dépôt». Saika isan’andro nanomboka tamin’ny volana aprily 2009, izany hoe vao nijoro mihitsy ny FAT no nisy ity famoaham-bola ity ary mbola mitohy izany hatramin’izao. Raha ny lalàna dia ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana toy ny Kaominina sy ireo sampandraharam-panjakana no manana alalana hanokatra «Compte de Dépôt» hametrahany ny famatsiam-bola azony. Amin’ity «Compte de Dépôt» resahina eto ity indray dia amin’ny anaran’ny ministera no anokafana ilay kaonty ka avy hatrany dia afaka maka vola ao amin’ny kitapombolam-panjakana izay rehetra manana taratasim-bola misy ny sonian’ny “régisseur de crédit”. Azo atao ny “Compte de Dépôt” saingy noho ny antony manokana irery ihany fa lasa lalan-dririnina ilay izy ankehitriny satria dia isan’andro vaky izao no ampiasana azy.

Ny tena mahagaga amin’ity raharaha ity dia ny fahasahian’ny mpitondra ankehitriny manokatra kaonty amin’ny anaran’ny “Fanomanana ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina». Nahatratra 20 miliara be izao ny vola nosintonin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany tao amin’io anarana kaonty io nanomboka ny volana aprily 2009 ka hatramin’ny volana jona 2010. Mampiasa ny “Compte de Dépôt” koa ny ministeran’ny rano, ny ministeran’ny fanabeazana ary ny ministeran’ny tontolo iainana. Tomponandraikitra ambony avy amin’ireo ministera ireo rahateo no “Régisseur de crédit” izany hoe mpanasonia ny taratasimbola ary mbola misy amin’izy ireo no am-perinasa amin’izao fotoana.

Tsy mazava ny ampiasana azy

Mipetraka ho baraingo koa ny fampiasana ireo volabe ireo izay misy mahatratra 10 tapitrisa ariary mihitsy. Satria tsy voafaritra ao anatin’ny fandaniambolam-panjakana ny “Compte de Dépôt” dia sarotra ny hanaovana ny fanaraha-maso. Olon-tsotra, miaramila nitana andraikitra ambony teo aloha tao amin’ny FAT izay efa nodimandry sy migadra amin’izao fotoana no anisan’ny mpahazo ireo vola. Misy orinasa maromaro koa anefa, anisan’izany ny Injet, fananan’i Andry Rajoelina. Marihina fa tsy maintsy alalana avy amin’ny FAT sy ny governemanta vao afaka manokatra “Compte de Dépôt”.

Avotan’ny BTA

Tao anatin’izay roa taona latsaka kely nisian’ny FAT izay dia tombanana ho tsy latsaky ny 1.000 miliara ariary no nivoaka tamin’ny «Compte de Dépôt». Mbola afaka mihodina anefa ny tahirimbolam-panjakana noho ny fisian’ny “Bon de Trésor par Adjudication”, izany hoe fampindramam-bola ataon’ny banky sy ny olon-tsotra ny fanjakana. Ampirisihana mafy moa izy ity ankehitriny. Ankoatra izay dia namela tahiry mitentina 900 miliara ariary tao amin’ny kitapombolam-panjakana ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny taona 2008 izay azo nanetsemana ny banga tamin’ny 2009. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny fahefana mpanara-maso ny fampiasam-bolampanjakana sy ny Bianco amin’ity raharaha ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT