Politique

Clément Ravalison “ Sokafy ho an’ny rehetra ny kianjan’ny Demokrasia ! ”


  • Alarobia 20 Aprily 2011

Ho an’i Clément Ravalison mpitarika ny Antoko Miombon’Ezaka na AME dia tsy tokony ho niadian-kevitra intsony ireo tetiandrom-pifidianana navoakan’ny CENI vantany vao vita ny fifanarahana politika sy ny fanaovana rangopohy ilay sori-dalan’ny Dr Simao teny Ivato. Ny nahagaga anefa, dia mbola nisy indray ny fifampidinihana teo amin’ny FAT sy ny CENI ny amin’ny hanatanterana ny fifidianana, ary toa mbola nisy resaka daty indray aza.

Midika ve izany, hoy i Clément Ravalison, fa tsy mbola matotra tsara akory ilay daty navoakan’ny CENI ny amin’ny hanatanterahana ny fifidianana amin’ny 14 septambra 2011 ? Momba ny hoe filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, indray dia tsy tokony ho olana izany araka ny nambaran’ny filohan’ny AME satria olona tsy mbola voaheloka izy, izany hoe madio taratasy eo anoloan’ny fitsarana. Ny manahirana kely fotsiny, araka ny fanazavany ihany dia ny antony tena mibaiko azy marina hilatsaka indray, raha toa ka efa nanambara ho ren-tany ho ren-danitra izy fa tsy hilatsaka fa hamita ny tetezamita fotsiny. Azo eritreretina mantsy, ho nahazo tsirony tamin’ny fitantanana ny tetezamita ve ka mangetaheta fahefana amin’izay i Andry Rajoelina ? Koa dia hivadika indray tamin’ny tenin-dehilahy nambarany tamin’ny vahoaka Malagasy ?

Eo amin’ny resaka fahalalahana maneho hevitra eto amin’ny tany sy ny fanjakana kosa, dia nisarika ny sain’ny rehetra i Clément Ravalison fa mbola misy ireo migadra noho ny fanehoan-kevitra nataony amin’izao fotoana. Ny kianjan’ny Demokrasia moa dia tokony hosokafana hahafahan’ny olona maneho hevitra araka ny filazany fa tsy ambara fotsiny hoe efa nomena alalana teo ny ankolafy telo saingy nanakorontana dia izay no izy. Hafa ny fomba tokony hitondrana io resaka momba ny Kianjan’ny demokrasia io, hoy i Clément Ravalison fa tsy hanaovana valin-teny boraingina sy hamoronana fikafika fotsiny izay mangataka hampiasa azy. I Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy no namorona io kianja io ka nahoana no sakanana hiditra sy haneho hevitra ao ny olona rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy ireo ?.

Manana ny heviny momba ireo fanorenana fotodrafitrasa goavana ataon’ny FAT ihany koa ny filohan’ny Antoko Miombon’Ezaka ka nilaza fa tsy mbola laharampahamehana ho an’ny Malagasy sahirana mitady ny hanin-kohaniny isan’andro aloha ankehitriny ny fanorenana hopitaly manara-penitra sy arifomba. Nambarany fa tokony ho ireo hopitaly sy toeram-pitsaboana efa misy manerana ny nosy aloha no hatsaraina, ary mila ahitana vahaolana haingana ihany koa ireo fitakiana mitarika olana etsy sy eroa tahaka ny eny amin’ny oniversite, ny momba ny mpampianatra FRAM, ny vidin-tsolika sy ny fitaterana ary ny asan-jiolahy.

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT