Politique

CAPSAT Soanierana Hentitra ny fiambenana an-dRajoelina omaly


  • Alarobia 04 Mey 2011

Toerana mirakitra tantara ny CAPSAT, ary azo lazaina fa nahaterahan’izao Fahefana avon’ny tetezamita tarihin’i Andry Rajoelina izao.

 Tonga teny an-toerana izy omaly, nijery ny fahatongavan’ny andiany faharoa amin’ny fanamiana ho an’ny miaramila. Raha ny fahitana azy dia any amin’ireto farany sisa no farafanantenan’ny filohan’ny FAT hijanonany eo amin’ny fitondrana, ka dia amboamboarina. Raha tonga ny andiany voalohany tamin’ireto fanamiana avy any Chine ireto, ny tapaky ny volana febroary 2011 teo dia tao amin’ny RTS Fiadanana, tsy lavitra ny Capsat i Andry Rajoelina. Tonga indray ny andiany faharoa, dia tonga tao amin’ny Capsat. Mbola ho avy anefa ny andiany manaraka.

Dia hitety toby miaramila, handraisana an’izany ? Mikasika ity omaly ity dia fantatra fa nisy ireo miaramila tsy faly, noho ny antony samihafa. Araka ny loharanom-baovao dia nikasa ny hitafa tamin’ny filohan’ny FAT ny solontenan’ireo miaramila ireo saingy tsy navela. Hentitra ihany koa ny fiambenana an’i Andry Rajoelina tao amin’ny Toby omaly. Tsy vitsy ireo miaramila no nanontany tena ny amin’izany antony izany. Raha ny marina, ny manampahefana iray miditra ao anaty toby miaramila dia tokony hijanona amin’ny toerana iray avokoa ny mpiambina rehetra fa ny miaramila ao an-toby no miantoka ny ain’ilay tompon’andraikitra. Tsy izay anefa ny zava-nisy omaly ka nahagaga ny maro. Inona avokoa ny dikan’izany ?

 
Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT