Politique

Camille Vital “Tsy ilaina ny fampihavanam-pirenena !”


  • Zoma 27 Mey 2011

Niatrika ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny governemanta Vital omaly. Raha namaly ny fanontaniana napetra-dRanjivason Jean Théodore izay nangataka ny firosoana amin’ny fifidianana avy hatrany ny praiminisitra Camille Vital dia niaiky fa tsy maintsy manaraka ny fanapahan-kevitry ny Sadc ny FAT vao afaka manatanteraka izany.

 Nambarany mihitsy fa izay tapaka mandritra ilay fivoriana maika hiarahan’ny Sadc amin’ireo hery politika malagasy any Gaborone dia tanterahana raha «izay no mahatsara zavatra». Ho an’i Camille Vital dia ala nenina ho an’ny Ankolafy telo izay mbola miziriziry ankehitriny io fihaonana an-tampony io. Sahiny mihitsy no nilaza fa «rehefa tsy mety ihany izy ireo dia aleo ho any !». Endriky ny demokrasia kosa, hoy izy ny famelana malalaka ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana hanao hetsika an-dalambe saingy tsy maintsy mandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana manoloana ny mpanakorontana toy ny mpanakan-dalana ka tsy afa-bela amin’izany ireo mpitarika. Nahagaga tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny praiminisitry ny FAT kosa ny filazany fa “tsy ilaina ny fampihavanam-pirenena satria tsy nisy niady teto no sady milamina ny tanàna”. “Tsy misy ady totohondry eto na koa olona maty fa ny Ankolafy 3 no manana olana amin’ny mpitondra”. Nambarany ho endrika isehoan’ilay filaminana ny fiarahan’ireo antoko politika samihafa fijery ao anatin’izao fitondrana misy izao.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT