Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao maro ary miteraka adihevitra etsy sy eroa ny fanendrena Praiministra farany teo, ka mbola nisafidianan’i Andry Rajoelina ny jeneraly Camille Vital indray ho amin’izany toerana izany.
Ny alarobia 16 martsa, nialoha ny fanendrena dia nanao fanambarana ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, nilaza fa «efa ao anatin’ny Repoblika fahefatra tanteraka isika ankehitriny satria efa mipetraka ny lalàmpanorenana. Fa ny tanjona kosa dia ny hametrahana rafitra iraisana ary mazava hirosoana amin’ny fifidianana madio sy mangarahara, hipetrahan’ireo olona ao anatin’ny andrim-panjakana amin’ny alalan’ny safidim-bahoaka, ao anatin’izany Repoblika fahefatra izany». Maro no mihevitra raha nandre izany fa dia noraisin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ho fankatoavana ny fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana ny lalàmpanorenana tamin’ny 17 novambra 2010 ilay sori-dalana naroson’ny Dr Leonardo Simao, iraky ny lehiben’ny mpanelanelana avy amin’ny SADC, hatao rangopohy teny Ivato ny alarobia 16 martsa 2011 teo.
Etsy ankilan’izay dia tsy maintsy nenjehina iny fanendrena praiministra iny satria tapitra ny 24 volana, raha lava indrindra, haharetan’ny tetezamita araka voatondron’ny didy hitsivolana 2009-002 tamin’ny 17 martsa 2009 mamindra ny fahefana avy amin’ny Directoire Militaire amin’i Andry Rajoelina. Rehefa voatendry anefa i Camille Vital, na eo aza ny hamehana, dia nilaza indray fa manana 10 andro izy hananganana governemanta. Tsy tongatonga ho azy io fa misy tokoa ny fivoriana mbola hataon’ny Troïka an’ny SADC ato ho ato, handinika ny raharaha Madagasikara. Samy manana delegasiona any, mandresy lahatra ny SADC na ny Ankolafy telo, tarihin’Atoa Marc Ravalomanana ahitana an’i Rolland Ravatomanga sy Benja Andriamihanta (Ankolafy Ravalomanana), Manoro Régis (Ankolafy Zafy) ary Razafimahefa Monfort (Ankolafy Ratsiraka) milaza fa tsy mbola vita ny sori-dalana ka mitaky ny hanaovana fihaonana an-tampon’ireo filohan’ny ankolafy sy vondrona politika samihafa, na ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, izay naniraka maika an’i Norbert Lala Ratsirahonana, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady mpanolotsaina politika an’i Andry Rajoelina, mba haka toky raha hankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fanendrena Praiministra izay hataon’izy ireo.
I Andry Rajoelina rahateo tsy nanao afa tsy nilaza fotsiny ihany fa efa nampahafantarina ny iraisam-pirenena ireo olona telo hisafidianana ho praminisitra, izay ahitana taratra fa na izy aza tsy mbola matoky fa hahazo fankatoavana iraisam-pirenena avy hatrany ny fanendrena ny jeneraly Camille Vital ho praiministra. Ho an’ny mpanadihady politika àry dia Praiministry ny Repoblika faha-4 (?) no nezahina notendrena mba tsy hisian’ny fahabangana fa ny an’ilay tetezamita iraisana dia mbola resaka hafa amin’ny manaraka.
Sary : Camille Vital nivoaka ny Lapan’Ambohitsorohitra taorian’ny nanendrena azy ho praiministra ny alarobia 16 martsa 2011
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.