Politique

Camille Vital ho PM “Négatif” amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena


  • Talata 15 Martsa 2011

Raha zohiana amin’ny nambaran’i Andry Rajoelina ny zoma lasa teo, dia ao anatin’ny fotoana hiandrasana izay mety hotendrena ho praiministry ny marimaritra iraisana isika amin’izao fotoana.

Tsy vao izao moa fa efa hatramin’ny Maputo I tamin’ny aogositra 2009 no nipoiran’io teny io, saingy tsy nety tanteraka mihitsy aloha hatreto. Maro ny anarana tonga eny Ambohitsorohitra, ary raha ny voasoratra tao anatin’ilay sori-dalana natao rangopohy teny Ivato dia ny filohan’ny tetezamita no tompon’ny teny farany sy manendry io praiministry ny marimaritra iraisana io, izay sady tsy iray antoko na ankolafy aminy no tsy mitovy fiaviana aminy ihany koa. Koa manoloana izany indrindra dia nanambara ny vondron’ny olon-tsotra izay nandray anjara mavitrika tamin’ny fihaonambem-pirenena fa tokony ho fiaraha-mitantana tena izy no atao fa tsy fiaraha-mitantana an-teritery. Misy mantsy, hoy ity vondron’ny olon-tsotra ity ireo olona manodidina an’i Andry Rajoelina no mampijabaka azy sy manipy hoditr’akondro.

Noho izany, mila mitandrina ny filohan’ny tetezamita amin’ny fanapahan-keviny, fa tsy manaiky izao tenin’ny miseho azy ho mpanolotsaina rehetra izao. Ho an’ireto vondron’ny olon-tsotra manohana ny fehin-kevitry ny fihaonambem-pirenena sy ny fitondrana tetezamita ireto koa dia tsy mety intsony raha mbola ny jeneraly Camille Vital ihany no mbola hotendrena ho praiminisitry ny marimaritra iraisana. Ny ankolafy politika hafa koa moa dia efa mahita sy mahatsapa ihany fa tsy mety intsony ny mbola hiverenan’ity manamboninahitra jeneraly ity eny Mahazoarivo. Ny Ankolafy 3 moa, raha toa ka hanasonia ihany ilay sori-dalana ka hanaiky hiditra ao amin’ny rafitra tetezamita dia efa azo antoka fa hitsipaka 100% an’i Camille Vital. Araka ny fantatra ihany koa anefa dia tsy hisy mamaly velively ny fepetra takiana amin’ny fanendrena Praiminisitra iraisana i Camille Vital, raha ny fahitan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mahita ireto farany fa tsy tokony ho miaramila aloha no amin’izany toerana izany.

I Camille Vital anefa tsy vitan’izay hoe miaramila, fa efa nanaiky notendren’i Andry Rajoelina nitantana governemanta tao anatin’ny 15 volana izao, nefa tsy nahazo fankatoavana mihitsy. Manaraka indray dia, anisan’ireo 109 niharan’ny sazy isam-batan’olona tamin’ny martsa 2009 koa izy, satria voatondro ho sakana tamin’ny ezaka nataon’ny Vondrona Afrikanina amin’ny famerenana an’i Madagasikara anatin’ny ara-dalàna izy ireo. Koa ny fisisihana hanendrena azy ho praiministry ny marimaritra iraisana, dia mitarika ny tsy fahazoan’izay fitondrana hijoro eo fankatoavana iraisam-pirenena. Tena sarotra, araka izany, ny fanapahana ho an’i Andry Rajoelina ka asa na ho ampy hieritreretany ihany ny herinandro na mbola mila fotoana fanampiny hamoahany ny fanapahan-keviny izy.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT