Politique

Camille Mektoub “Tręve pascale” fa tsy “tręve politique”


  • Zoma 22 Aprily 2011

Manjaka tokoa ny fanajana ny fahasamihafana eo amin’ny lafiny finoana ao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.

Ny depioten’i Mananjary teo aloha, Camille Mektoub, izay mpino Silamo no nanambara anaty lahateny nataony omaly fa hisy ny fampiatoana hetsi-pitolomana noho ny fetin’ny Paska. «Trêve pascale» no hatao fa tsy «trêve politique», hoy izy. Ao amin’ity tolon’ny ara-dalàna ity moa dia Paska foana ny andro tao. Tsy tapaka mihitsy mantsy tao anatin’izay roa taona sy iray volana izay ny fiventesana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny alin’ny Paska sy ny fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo ao anatin’ilay hira «Jesoa no reharehako» aorian’ny fanompoam-pivavahana fanombohana ny fotoana.

Teo amin’ny kabary politika dia nambaran’i Camille Mektoub fa «aza kanosa», hoy ny fanevan’ny TIM, fa «mitady Malagasy manosika ny Malagasy ho sahy Ravalomanana ary tsy azo hatarazoka intsony ny raharaham-pirenena. Efa betsaka ny kanosa lasa : ireo tsy mijery afa tsy ny tenany sy ny fianakaviany ary tsy miraharaha firenena. Tetezamita tena izy ihany no mampilamina ny firenena. Ny mahagaga eto dia ireo voasazy indray no mitondra firenena fa ny manana ny rariny anjorom-bala», hoy izy.
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT