Politique

Camille Mektoub ”Raiso ho ohatra ny Pr Zafy !”


  • Zoma 01 Aprily 2011

“Mivadibadi-dresaka ny FAT”, hoy i Camille Mektoub tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. “Tamin’ny voalohany tsy mila izany fankatoavana iraisam-pirenena izany izao indray mila ary manoratra any ivelany mihitsy”.

Tsy misy valaka amin’izany koa ny ataon’ny mpamadika palitao. Taloha nanizingizina fa “na dia handady amin’ny kibo, na hivadika any atsinanana aza ny masoandro tsy ho azon’ny FAT izany fankatoavana iraisam-pirenena izany, nefa ankehitriny dia tsy maintsy ho azo io fa efa eto izahay”. “Anjaranareo vahoaka no manapaka, hoy i Mektoub, fa na ny Pr. Zafy aza nanenina nametraka an’i Andry ho filohan’ny tetezamita sy nanaiky tao anaty fifanarahana fa tsy afaka miverina Ravalomanana raha tsy milamina ny tany”. Raiso ho ohatra, hoy izy, ny Pr Zafy izay manana ny horonan-tsary momba ny baikon-dRatsiraka hamono azy tamin’ny fotoanandrony kanefa dia nifamela tany Maputo izy ireo.

Izy ihany koa no nampihavana an-dRatsiraka sy Ravalomana ary farany Ravalomanana sy Rajoelina. Ary niteny mihitsy ny Pr Zafy fa tena filoha ianao prezida Ravalomanana fa niova fiteny Rajoelina taty ao aoriana”. Noho ny tsy fitoviam-pijery, vokatry ny tsy fisian’ny fandaminana mazava amin’izay handray fitenenana sy ny zavatra hokabariana eny an-kianja, teo amin’i Manandafy sy i Manoela mahakasika ny mety hiavian’i Monja Roindefo eny Behoririka no fototr’izay fanazavana lavalava izay.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT