Politique

Camille Mektoub Matahotra ny marina hivoaka ny FAT


  • Alatsinainy 07 Martsa 2011

“Fitiavan-tanindrazana tsotra izao no aseho eto Behoririka”, hoy ny Depiote Leriva Manahirana tamin’ny sabotsy teo.

“Tsy TGV fa “bus” no andehanantsika ary ny “terminus” dia ny fijoroan’ny ara-dalàna izay midika ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana. Tsy maintsy ho tonga any amin’io “terminus” io isika satria ny mino tsy maintsy mandresy”, hoy izy nanohy ny teniny. “Betsaka ny mpikambana ao anatin’ny FAT no matahotra fa ny marina hatramin’izay mihitsy no havoaka fa tsy ny nanomboka tamin’ny 2009 ihany”, hoy indray ny Depiote Camille Mektoub. “Mahavariana ny fihetsik’i Lafrantsa izay mangina eto Madagasikara nefa avo vava any Côte d’Ivoire mangataka fanadihadiana mahaleotena iraisam-pirenana”, hoy izy. “Ny eto dia ny olona voasoketa indray no mangataka io fanadihadiana io”. Mikasika ny raharaha Marais Masay indray dia nambarany fa tiana tsy hihetsika intsony ny Pr Zafy no tetika amin’ireny.

“Mangarona biby an-davaka ianareo FAT ka tandremo”, hoy i Mektoub. Nanao fanamarihana ity farany fa “misy radio tsy miankina tena mandrisika ny adim-poko ary mampirisika ny fitondrana hisambotra an’izatsy sy zaroa fa tsy ireny radio nakatona ireny no nanao izany”. “Mba fantatry ny Dr Simao ve ?”, hoy ihany ity mpitari-tolona ity nanohy ny teniny, “fa betsaka ny antokom-pianakaviana manohana ny FAT, antoko vao niforona na tsy mety lany amin’ny fifidianana ? 

 
Manohy
 
SARY : Camille Mektoub (Ankolafy Zafy Albert)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT