Politique

Brickaville Misy mandrahona ireo ho kandida depiote


  • Alarobia 09 Martsa 2011

Niharana fingampingana sahady ny tanora ho kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka ao Brickaville, nandritra ny lanonana nataon’ny zanak’ity distrika ity tao amin’ny kolejy Stella Maris - Tanamborizano ny alahady faha 06 martsa teo.

Na efa nahazo fanasana manokana amin’ny maha zanaky ny distrika azy aza Atoa Mamitiana, dia tsy araka izay no nihatra taminy, noho ny baiko nidina tamin’ireo milaza azy ho zokiolona sy to teny amin’ny zanaky ny faritra, fa avy hatrany dia nailika ny tenany ary noraisina ho fahavalo mihitsy noho izay fikasana teo amin’ity tanora te handray andraikitra ara-politika ao amin’ny tany fiaviany ity. Nigadona teny an-toerana Atoa Mamitiana sy i Faly namany izay samy ho kandida amin’ny fifidianana depiote ao Brickaville avokoa, ny alahady tamin’ny 11 ora. Teny an-tanan’ izy roa lahy rahateo ny fanasana manokana ho azy ireo.

Fanilihana anefa no nitsena azy mirahalahy ireto, ary natao izany mba tsy ho hitan’ny mpiray fikambanana. Nambaran’i Mamitina fa vokatr’izay fanavakavahana sy faminganana ireo tanora te handray andraikitra amin’ny faritra niaviany izay, dia nihena ny isan’ny fianakaviana niatrika ny fety satria niala sy nitsoaka an-daharana avokoa ny tanora sy ireo voailika. Ankoatra izay, dia nambaran’ingahy Mamitiana ihany koa fa mandry andriran’antsy ny tenany amin’izao fotoana, satria “misy olona mifofo ny aiko sy ny fianakaviako any noho io fikasako handray anjara amina fifidianana io, ary mandrahona ahy amin’ny alalan’ny antso an-tariby”. Nambarany anefa fa tsy hampihemotra ny fiomanany amin’ny firotsahany izany. “Matoky an’Andriamanitra aho ary fantatro fa paik’ady politika avokoa izany mba hampihemotra ny faniriako”, hoy izy.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT