Politique

Ben’ny tanŕna nanolana Miriaria sady mirehareha


  • Alakamisy 14 Aprily 2011


Hatairana ny an’ny fianakavian’ity zazabodo niharan’ny herisetra raha nahita an’ilay Ben’ny tanàna miriaria sahady eny anivon’ny fiarahamonina nefa voatana am-ponja vonjimaika no nahafantarana azy, telo herinandro lasa izay. Tsy vitan’izay fa dia mirehareha ho tsara mpiaro ity olom-boafidy ity, ka mampametra-panontaniana ny mpiara-monina. Zaza 12 taona no naolany. Tsy nanaiky ny fianakavian’ilay zaza fa nitondra ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Notanana am-ponja vonjimaika ilay nahavanon-doza ny faramparan’ny volana martsa 2011. Amin’ny herinandro ambony io no tokony handeha ao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ny famotorana lalina manodidina ny raharaha, nefa dia izao efa miriaria izao ilay mera. Fanosihosena ny zo aman-kasina maha olona izao zava-mitranga izao. Ny fitsarana natao hianteheran’ny osa indray ity no nandiso fanantenana, hoy ny fianakavian’ilay zazabodo voaolana. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha !

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT