Politique

Bary Rafatrolaza Manana ekipa vonon-kiasa avy hatrany


  • Zoma 01 Aprily 2011


Nitety an’Ampandrianomby, Mahamasina ary Anosimasina Itaosy nitsidika ireo sampan-draharahan’ny ministera tantanany i Bary Rafatrolaza omaly, nijery ny zava-misy sy ny mety ho fanatsarana ny fanatanterahana ny asa miaraka amin’ireo mpiasa isan-tokony. Ahoana no handrindrana ny zavatra takiana amin’ny mpiasa sy ny fitaovana hoenti-manatanteraka izany ? Ilaina ny fifamenoana, hoy ny teniny tamin’ireo mpiasa izay naneho ny fahavononan’izy ireo amin’ny fampandrosoana ity ministera ity. Vavan’ny matahotra toerana koa moa izany satria nisy tamin’ireo mpiasa no nahateny fa tsy mbola fantatra na voatazona eto izahay na tsia ??? Ingahy minisitra rahateo tamin’ireo fitsidihana rehetra ireo dia notronin’ireo olona akaiky azy maro izay toa efa nitazantazana ny toerana hisy azy raha ny marina ary efa niaraka taminy mihitsy aza ny ho talen’ny kabinetra vaovaon’ity ministeran’ny fiompiana ity.

Efa tazana mifanaretsaka mifamezivezy etsy Antsahavola koa ireo mpikambana TIM akaiky an’ity minisitra vaovao ity. Mbola voatsiahin’i Bary Rafatrolaza moa ny resaka famahana ny sakana mianjady amintsika amin’ny tsy fahafahana manondrana henan’omby any ivelany efa ho 11 taona katroka izao. Angamba mety efa ahitantsika tsena atsy Afrika Atsimo toerana nanavanana an’Ingahy minisitra tokoa ny amin’ity resaka iray ity !

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT