Politique

Avimana sy ny Repoblika faha-4 Tokony hapetraka amin’izay ireo rafitra tsy mbola feno


  • Zoma 10 Jona 2011

Nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety omaly i Avimana, filohan’ny vaomiera mpanara-maso ny fifidianana no sady tompon’andraikitra amin’ny fametrahana amin’ny toerany ny Repoblika faha-4 eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita.

 Nambarany tamin’izany fa efa tafiditra ao anatin’ny Repoblika faha-4 isika taorian’ny nandaniana ny lalàmpanorenana vaovao ka tokony hapetraka amin’ny toerany sy hofenoina ireo rafitra mifandraika amin’izany. Lohalaharana ny tokony hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena, solombavambahoaka, loholona, lehiben’ny faritra, Ben’ny tanana... Izany no hatao, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity dia mba hahafahana miala haingana ao anatin’ny krizy izay mianjady amin’ny Vahoaka malagasy. Nasiana resaka ihany koa ny mikasika ilay fialan’ny filoham-pirenena ao anatin’ny 60 andro mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana izay nambaran’i Avimana fa volavolan-dalàna efa nolaniana teo anivon’ny antenimiera roa ka tsy tokony hisy fiovana intsony na inona na inona vokatry ny fihaonamben’ny SADC momba an’i Madagasikara hatao any Afrika Atsimo rahampitso sabotsy. Marihina fa nankatoavin’ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny tokony hananan’ny CENI fahaleovantena ara-bola. Nohamafisin’izy ireo kosa anefa fa tokony hisy ny lalàna mazava hanaraha-maso izany hisorohana ny gaboraraka.

 

Pati

 

sary : Avimana, filohan’ny Vaomiera mpanara-maso ny fifidianana no sady tompon’andraikitra amin’ny fametrahana amin’ny toerany ny Repoblika faha-4

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT