Politique

AV7 Miantso an-dRajoelina hirotsaka hofidiana


  • Talata 08 Febroary 2011

Nametraka voninkazo teo amin’ny tsangambato fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin’ny raharaha 07 febroary ny fikambanana AV7 notronin’ireo fianakavian’ny niharam-boina.

Nambaran’Atoa Boana, filohan’ny fikambanana, tamin’izany fa mbola maro ireo tsy hita faty, roa taona taorian’ireny famonoana olona ireny ankoatra ireo mbola manaraka fitsaboana. Hametraka fitoriana amin’ny fitsarana irasam-pirenena koa ny AV7 raha ny nambarany ka manao antso avo amin’ireo tomponandraiki-panjakana mba hanolo-tanana azy amin’izany. Mangataka ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, mba hanohy hatrany ny fanampiana ara-bola mitentina 200.000 Ariary isam-bolana ho an’ireo niharam-boina izy ireo na dia efa tapitra aza ny fe-potoana Tetezamita satria maro, hoy ny filohany ireo tsy mahavita miasa intsony noho ny takaitrany.

Ankoatra izay dia miantso an’i Andry Rajoelina hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena koa ny tenany. Antso izay efa nataon’ity fikambanana ity tamin’ny taon-dasa. Mbola miandry ny fijerena ny didim-pitondrana ny fanohizana na tsia ny fanampiana aorian’ny tetezamita izay nangatahin’ireo niharam-boina raha ny navalin’i Andry Rajoelina. Nampanantena toerana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ho an’ireo mpikambana ao amin’ny AV7 koa ity farany.

Yves
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT