Politique

Arivonimamo Raikitra ny adilahy politika


  • Alatsinainy 06 Jona 2011

Nanao fihetsiketsehana ny mponin'Arivonimamo sasantsasany manoloana ny fitanana am-ponja ny Ben'ny tanànany.

 Teo anoloan'ny Kaominina izy ireo no nitondra sorabaventy misy ny soratra «Tsy mila PDS», «Mitaky fitsarana madio». Teo ihany koa dia navoaka ny antontan-taratasy sasantsasany ary tokony mbola ho tsiambaratelon'ny fitsarana, toa ny PV na fitanana an-tsoratra, mba hampisehoana ny mpanao gazety sy ny olona fa tsy meloka io Ben'ny tanàna io sy ny ekipany sasantsasany. Nentin'ireo nanaporofoana an'izany ny PV misy ny filazan'ireo mpiandraikitra ara-bola, fa izy ireo no tompon'andraikitra tamin'iny raharaha iny. Tsy hidirana ny amin'izay satria anjaran'ny fitsarana no mijery akaiky an'izany.

Ny fahatongavan'i Augustin Andriamananoro teny an-toerana anefa no somary nahatalanjona. Nilaza mazava io farany fa manohana ny hetsiky ny mponina noho izy avy any amin'iny faritra iny. Mitaky rahateo ny famoahana ny Ben'ny tanàna izy. Fantatra fa avy any izy saingy kosa ny fahatongavany teny ve tsy azo ilazana fa manentana ny vahoaka hitsipaka ny didim-pitsarana sy hihetsika, kanefa ny tenany dia tompon'andraikitra eo anivon'ny fitondrana ankehitriny ary mpanolotsaina manokan'i Andry Rajoelina aza. Etsy andanin'izany ihany koa dia fantatra fa misy mpanao politika hafa ao ambadik'iny fanagadrana iny. Ny tena tanjona, raha araka ny feo, dia ny hanagadrana ilay Ben'ny tanàna izay hatahorana amin'izay fifidianana hitranga. Adilahy politika, araka izany, no mitranga ao Arivonimamo.

 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT