Politique

Arivonimamo Haneho firaisankina ny zanak’i Dada


  • Alakamisy 27 Janoary 2011


“Efa vonona tanteraka ny hoenti-manana amin’ny fandraisana ireo vahiny nasaina ho tonga any aminay any Arivonimamo”, hoy ny Depiote Rodin Rakotomanjato depiote TIM voafidy tao amin’ity distrika iray any amin’ny Faritr’Itasy ity. “Lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao no hatrehana any”, hoy izy, “ary hatao amin’ny endrika fitsangantsanganana izany ka nofidiana manokana ny toerana eny amorom-parihin’Antaboaka handraisana ireo vahiny efa fantatra fa ho tonga maro araka ny firesadresahana tamin’ny maro tamin’izy ireo mivantana na an-telefaonina. Inoana fa ho avy maro ny avy eto an-drenivohitra sy ny manodidina izay zatra ny miantso ny avy any Imamo rehefa misy hetsika atao fa izay no fitia mifamaly mahatsara fihavanana. Ny TIM any an-toerana sy ny manodidina moa dia efa vonona tanteraka avokoa ary hameno ny toerana”. “Ny tanjona”, araka ny fanazavana nomen’ny Depiote Rodin ihany, “dia ho firaisankinan’ny Zanak’i Dada rehetra hanaporofoana fa velona sy miroborobo ny antoko Tiako i Madagasikara miaraka amin’ny Filoha Marc Ravalomanana fa tsy maty velively tsy akory. Dia amin’ny sabotsy 29 janoary izany mifankahita”.

Manohy

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT