Politique

Arema namadika palitao Nomen’i Deba ny hafatra !


  • Alakamisy 09 Jona 2011

Raha araka ny tsiliantsofina re avy any Gaborone dia nahazo ny hafatra avy amin’ny amiraly Didier Ratsiraka ireo mpikatroka Arema namadika palitao ka nisolantsolana nanatrika ity fivoriana ity tamin’ny anaran’ny antoko mena.

 Rehefa raikitra tokoa mantsy ny fivoriana ka nanomboka tonga tao amin’ny foiben’ny Sadc tao Gaborone ny mpizaika rehetra dia nisy tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona Arema nisora-tena ka nisongona ny hafa nanatona ny amiraly ka niarahaba sy nikasa ny hiresaka mivantana taminy. Tsy nanaiky izany, araka ny feo re, Atoa Didier Ratsiraka ary nilaza mazava tamin’ireo mpamadika palitao ireto fa  efa tonga any am-pototsofiny tsara ny fanaratsiana sy fandrabirabiana ary esoeson-teny ataon’ireto farany aminy aty Madagasikara ka tsy afaka ny hiresaka na hifanakalo hevitra amin’ny olona mpihatsaravelatsihy tahaka izany izy.

Ny loholona teo aloha Vaovao Benjamin sy ny ekipany moa no voalaza, araka  ny tsiliantsofina re ihany, fa anisan’ireo saika hitafa sy hiresaka tamin’ny Amiraly saingy izany nahazo ny hafatra izany. Tsy nisy mihitsy kosa, araka ny vaovao voaray avy any Gaborone ihany, ny fifampiresahana teo amin-dRatsiraka Didier sy Pierrot Rajaonarivelo. Araka ny tsiliantsofina re ihany dia efa miomana amin’ny fiverenany eto an-tanindrazana ny amiraly sy ny fianakaviany na tsy mbola mazava aza ny daty mety hahatongavan’izy ireo. Ny tsiliantsofina ihany no nahafantarana fa tsy hangina izany ny amiraly rehefa tonga eto an-tanindrazana fa tsy maintsy handray anjara mavitrika amin’ny fiainana ara-politika sy ny fameloma-maso ny antoko Arema izay somary natoritory ihany efa ho 10 taona izao.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT