Nifarana tao Gaborone Botswana omaly 07 jona tamin’ny 6 ora hariva, ora any an-toerana, rehefa naharitra roa andro ny fivoriana nandinihana ny fandaminana ny krizy eto Madagasikara.
Namoaka fanambarana mikasika izany ny SADC ary nanamarika fa hanao tatitra mikasika ity fihaonana tao Gaborone ity amin’ireo Filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny SADC izay hihaona indray ao Sandton Afrika Atsimo amin’ny sabotsy 11 jona ho avy izao. Voafintina tao amin’ilay fanambarana ny asa rehetra nataon’ireo vondrona politika voaasa ka tonga tany Gaborone teo ambany fiahian’ny SADC. anisan’izany ny fandinihana ny soso-kevitra nomen’ny vondrona SADC, izay nivoaka tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana tany Windhoek tamin’ny 20 mey lasa teo sy ny fandinihana mikasika ny sori-dalana ahafahana mamaha haingana ny krizy Malagasy. Fantatra taorian’ny fihainoan’ireo mpitarika avy amin’ny SADC ny vondrona politika isanisany, izay niisa 11, fa samy mankato ny fifampiresahan’ny samy Malagasy avokoa ny mpanao politika Malagasy ary manaiky fa ny fifidianana madio sy azo antoka ihany no tena fanalahidy amin’izao krizy izao, ka hiverenana amin’ny ara-dalàna indray.
Tsy nisy, araka izany, ny fanaovan-tsonia antontan-taratasy na iray aza fa fihaonan’ny vondrona isanisany tamin’ny SADC mpikarakara no nanakatonana ny fihaonana tany Gaborone omaly nialoha ny lanonam-pamaranana tsotsotra. Ny hanao sonia ilay sori-dalan’ny Dr Simao natao rangopohy teny Ivato tamin’ny 09 martsa anefa no anton-dian’i Andry Rajoelina tany Gaborone, ary koa nanosika ireo vondrona miisa valo mpiara-dia amin’ny FAT, voafatotr’iny sori-dalana iny ho any, saingy tsy nisy ilay sonia. Hiverina tanam-polo izany izy ireo. Mai-molotra ny ankamaroany omaly. Hiandry ny fanapahan-kevitry ny SADC amin’io fihaonana any Sandton amin’ny 11 jona io ve i Andry Rajoelina, sa hitana izay nambarany fa raha tsy misy sonia vita any Gaborone dia hiroso amin-kery izy ? Mazava koa fa tsy nahomby ny tetika tamin’ny namaritana ho 11 (8+3) ireo vondrona politika nasaina tany Gaborone, nikendrena hanaovana teli-moka ny Ankolafy telo raha nisy tsangan-tanana. Tsy izay anefa no niseho, fa nihaonan’ny mpikarakara tsiraisaiy ireo vondrona politika. Niakatra avo ny fanelanelanana, ka tavela ny ekipan’ny Dr Leonardo Simao, izay niketrika ny hampankatoa tsy misy dinika ilay sori-dalany. Nitsarana ny asany iny dinika tany Gaborone iny, ary dia nibaribary ny lesoka tamin’ny iraka nampanaovina azy, tao anatin’ny asa fanelanelanana. Ny Vondrona Eoropeanina rahateo dia efa nilaza, herinandro lasa izay, fa tsy nahomby ny fanelanelanana tamin’ny krizy teto Madagasikara. Azo antoka fa izay no nandraisan’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC an-tanana ny raharaha, notarihin’ny filoha am-perinasa sady filohan’i Namibia, Hifikepunye Pohamba nampian’ny filohan’i Zambia sady lehiben’ny vaomieran’ny fiaraha-miasa politika, fiarovana sy fandriampahalemana eo anivon’ny SADC, Rupiah Banda.
Nahafahan’ireto farany nahalala ny zava-misy marina eto Madagasikara, sy nahazoany ny hevitry ny tsirairay iny fihaonana tany Gaborone iny, hanampy azy ireo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra any Sandton. Ny azoazo antoka dia hanamafy izay tapaka tany Windhoek ny SADC, miaraka amin’ny fepetra fampiharana. Ao anatin’izany ny fodian’ireo filoha roalahy, Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, an-tanindrazana handray anjara tamin’ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana. Ny fananganana tetezamita iraisana, fanavaozana ny andrim-panjakan’ny tetezamita. Filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina saingy mametra-pialana enim-bolana mialoha izy raha hilatsaka hofidiana ... Mandra-piandry izay dia hitodi-doha hiverina an-tanindrazana ny delegasiona anio.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.