Politique

Antsirabe Mitohy ny tolona


  • Talata 08 Martsa 2011

Mazava ny resaka ankehitriny mahakasika ny fisamborana ireo mpitari-tolona legalista Antsirabe fa dia ny hanafoanana ny hetsika ao amin’ny Magro Avaratsena mihitsy ny tanjon’ireo tompon’andraikitra eto amin’ny faritra na dia an-kolaka aza ny hanaovany izany.

Fantatra indray mantsy fa nialoha ny hetsika natao ny sabotsy 05 martsa teo dia tonga nampihorohoro ny tompon’ny fanamafisam-peo fampiasa tao amin’ny Magro indray ny mpitandro filaminana, araka ny tatitra tamin’ny tompony ihany ary nandrara azy tsy hitondra ny zava-manenony ao amin’ny magro intsony manomboka izao. Natahotra noho izany ny tenany ka tsy sahy tokoa sao alain’ny mpitandro filaminana ny fitaovany na mety hidoboka koa ny tenany ka naleony niala tsiny tamin’ireo mpiara-mitolona fotsiny aloha.

Na izany aza dia nisy ihany ny hetsika ka dia feo avo no natao io sabotsy lasa teo io, ary tsy nahakivy ny olona izany fa dia vao mainka nankahery azy ireo. Tsiliantsofina moa no nahenoana fa toa hoe avy ao amin’ny Faritra ao no tena miketrika ny hanafoanana ity tolon’ny mpitaky ny ara-dalàna ao Antsirabe ity ary misy fiaraha-miasan’izy ireo akaiky tamin’ilay ranamana nijoro vavolombelona nandetika ireo mpitarika nosamborina farany teo izany.

 
Caïus R.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT