Politique

Antsirabe Ahiana hisy fifanjevoana


  • Alarobia 11 Mey 2011

Niteraka resabe ary tsy nahafaly ny Legalista, indrindra ireo zanak’i Dada ao Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra ny fahitana vaovao nivoaka an-gazety ny talata 10 mey 2011 milaza ny mety hisiana hetsika tarihin’olona hafa ao amin’ny Magro Avaratsena ny sabotsy 14 mey ho avy izao.

 Anisan’ireo mpitari-tolona tao amin’ny Magro ilay nanao fanambarana an-gazety saingy araka ny fantatra tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Magro amin’izao fotoana dia nisy ny olana sy tsy fifankahazoan-kevitra teo aminy sy ireo mpitarika ka nisintaka ity ranamana ity. Tsy nionona teo anefa izy fa nitady hirika ny hamelezana ireo mpitarika tao indray ka nahatonga fisamborana sy fitanana am-ponja ny sasany tamin’ireo mpitarika mihitsy izany taty aoriana. Voalaza fa dia hiverina ao amin’ny Magro indray ilay nisintaka kanefa tsy nifampiresaka akory amin’ireo mpitarika izany ka izay no nahasorena ireo mpitolona ao amin’ny Magro. Amin’izy ireo mantsy dia hanao ny fomba ratsiny indray ity ranamana ity ka izay no mampanahy ny mety hiverenan’ny disadisa aminy sy ireo mpitarika indray. Araka izany, ahiana indray ny hisian’ny fifanjevoana eo amin’ireo samy mpitolona ao Antsirabe. Ho hita eo ihany ny tohiny fa raha ny zavatra tsikaritra aloha dia sesilany ny fivorian’ny mpitandro filaminana ao anivon’ny Emmoreg ao Antsirabe amin’izao fotoana izao.

Caius R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT