Tamin’ny faran’ny herinandro iny dia nitafa mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ny vahoakan’Ambatomanga sy Antsahadinta ny filoha Ravalomanana.
Antsahadinta izay vao nisedra fahoriana tamin’ny fisiana rambondanitra sy havandra izay namotika zavatra maro, raha tsy hiteny afa tsy ny voly vary. Nampihetsi-po ny zavatra niseho teny amin’ity Kaominina ity satria dia tsy vitsy ireo latsa-dranomaso raha vao nandre ny feon’ny filoha Marc Ravalomanana. Namboraka mivantana, naneho ny alahelony sy ny hetahetany moa izy ireo tamin’izany, toy ny filazana fa tsy afaka nanohy fianarana intsony ny ankizy noho ny krizy, maro ireo very asa, ny fambolena sy ny fiompiana ihany koa tsy mandeha amin’ny laoniny ary dia manjaka ny tsy fandriampahalemana. Potika avokoa ny ankamaroan’ireo fotodrafitrasa toy ny lalana. Manoloana izany indrindra dia nanao antso avo tamin’ny filoha Ravalomanana izy ireo nanao hoe : mijaly izahay Andriamatoa Filoha ka modia haingana ianao fa ory tanteraka izahay ! Tetsy ankilan’izany dia nampahery ireo vahoaka maro tonga nanohina ny antso ny filoha Ravalomanana.
Tamin’izany no nilazany fa efa manao izay tratry ny heriny ny tenany any ivelany any mitady izay fomba hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Mila mifanome tanana sy manana finoana isika, hijoro mandrakariva handresena ny tsy rariny, hoy ihany izy. Nohamafisiny fa dia tsy maintsy hody an-tanindrazana ny tenany. Tany Ambatomanga indray dia tsotra ny hafatry ny filoha. Tsy ekena raha izao tontolo izao efa miroso amin’ny fanatontoloana kanefa isika tadiavin’ny sasany zanahana indray, hoy izy ny filoha Ravalomanana ny sabotsy lasa teo. Very ny zo aman-kasin’ny Malagasy, hoy ihany izy nanohy. Nampahery ireo vahoaka tafaresaka taminy ny tenany mba tsy ho kivy satria mbola ao anatin’ny asa tanteraka. Tamin’ny fifampiresahan’ny filoha sy ireo vahoaka tao Ambatomanga sy Antsahadinta ity ihany koa no nanazavany ny asan’ny SADC sy ny Vondrona Iraisam-pirenena, teo ny fahitany ny fizotry ny raharaham-pirenena. Tsy ara-dalàna, noho izany tsy hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena izao fitondrana FAT mijoro izao, hoy ihany ny filoha Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.