Feno 45 taona amin’ny alahady ny fahatsiarovana ny tolon’ny 13 mey 1972. Tantara tsy fanadino izany, hoy ny antoko Vahoaka Miray, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Gaby Vakiniadiana.
Ho eny Analakely izahay hanamarika izany satria zo amin’ny maha olom-pirenena izany. Zo ihany koa anefa ny midina an-dambe toy ny tamin’ny fotoan’androny rehefa tsapa fa atao tsinontsinona tahaka izao mitranga izao ny sosialim-bahoaka. Aiza ny vahoaka no hitaraina rehefa tsy eny ? Manasa ny vahoaka izahay, noho izany, hoy ny tenany hanotrona anay amin’ny alahady ary voninahitra ho anay ihany koa ny fahatongavanareo miaramila eny satria manaporofo koa izany fa tsy mankasitraka ny zava-misy ankehitriny ianareo, hoy hatrany ny tenany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.