Politique

Antoko TIM any Mahajanga Fantatry ny olona fa velona ara-dalŕna


  • Zoma 28 Janoary 2011


“Efa tao anatin’ny fotoana elaela ihany izay no niezaka namerina indray ny heriny ny antoko TIM any Mahajanga”, hoy i Fidimalala Franck mpandrindram-paritry ny antoko any an-toerana. “Efa tafatsangana ny “direction collégiale”, hoy izy, “ary efa fantatry ny olona any Mahajanga fa velona tanteraka ny Tiako i Madagasikara. Milamina tanteraka hatrany amin’ny fototra ity antoko ity any ary efa nahavita fanisana ny mpikambana mavitrika ankehitriny izahay. Miandry ny fahatongavan’ny mpikambana ao amin’ny birao politika nasionalin’ny TIM avy aty Antananarivo ny TIM any Mahajanga mba hanome aina sy hery bebe kokoa ny hafanam-pon’ny mpikambana any aminay. Araka ny fandaharam-potoana efa nifanarahana tany aloha moa dia efa tokony ho tanteraka tamin’ny faramparan’ny taona 2010 teo ity fitsidihana ity saingy voatery nahemotra noho ny antony samihafa”.

Tsetsatsetsa tsy aritra no nitateran’ity tompon’andraikitry ity, amin’ny maha olom-pirenena tsotra manaraka ny toe-draharaham-pirenena azy, fa mikorontana tanteraka ny amin’ilay fivarotana entana amin’ny Tsena Mora any Mahajanga raha tsy hilaza afa tsy izay niseho tao Amborovy tamin’ny herinandro lasa teo, hoy i Fidimalala Franck.

 
Manohy
 
SARY : Fidimalala Franck, mpandrindram-paritra TIM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT