Politique

Antoko TGV Nandefa taratasy manokana any amin’ny SADC


  • Alakamisy 31 Martsa 2011


Rtoa Lanto Rakotomavo, filohan’ny Tanora Malagasy Vonona, no nampahafantatra fa

Antoko nandefa taratasy any amin’ny SADC ny antokony ny talata teo nanazavan’izy ireo fa «lalana tsy azo hiverenana intsony ny efa vita dia ny fanaovana rangopohin’ny tondrozotran’ny SADC nataon’ny solontenan’Antoko maromaro teny Ivato tamin’ny 9 martsa fa ny tohiny tsaratsara no andrandraina. Efa tafapetraka araka ny tokony ho izy ny Praiministra sy ireo minisitra mpikambana ao amin’ny governemanta fiaraha-mitantana tanteraka misy ankehitriny izay rariana ny ahavitan’izy ireo ny asa ampandraiketina azy mba hisy vokany haingana sy mivaingana ho an’ny vahoaka. Tanteraka ny fifanarahan’ny samy Malagasy ka dia miandrandra ny fihetsiky ny iraisam-pirenena ny vahoaka», ary nanindry mafy fa tokony hanafaingana ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ireo. Na zandry ara-politka aza ny TGV, hoy Rtoa Lanto Rakotomavo dia manana hafatra natolony ny mpanao politika namana. «Aza avela ho raraka an-tany intsony ny ezaka sy ny dingana efa vita», hoy izy, «atsaharo ny ady seza izay manala-baraka ny antoko sy ny olona ao aminy ary andeha hanao fifidianana hotsarain’ny vahoaka amin’izay».

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT