Tsy ankasitrahan’ny antoko Teza tarihan’Atoa Jean Louis Rakotoamboa ny fotokevitra nandrafetana ilay sori-dalana narafitry ny Dr Simao nahitsin’ny SADC izay manome vahana ny fanonganam-panjakana melohin’ny Fivondronambe Iraisam-pirenena.
Manilika tanteraka ny hevitry ny ankolafy 3 sy ny Filoha Ravalomanana ny sarintsarina tsy fombana ny atsy na ny aroa ao anatiny, ny sarintsarina tsy fanilihana na iza na iza ary ny sarintsarina fifanarahana misy ao anatin’izy io. Manome fahefana feno ny mpanongam-panjakana mandritra ny tetezamita anefa ireo. Misintona manokana ny sain’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena noho izany ny antoko Teza fa tsy hisy mihitsy ny fahatoniana politika eto Madagasikara raha mbola misy ny fanilikilihana mivantana na an-kolaka atao amin’ny ankolafy samihafa eto amin’ny Firenena. Tsy mahavaha tanteraka ny krizy lalina sy miverimberina eto Madagasikara ny fanomezana fahafaham-po ankolafin’olona amin’ny fizarazaran-tseza sy fanaovana kajikajy politika tsotra fotsiny izao. Efa nanaporofo ny tsy fivahan’ny krizy miverimberina teto amin’ny firenena ny fifidianana nolazaina fa demokratika tamin’ny taona 1989 sy 2001 nefa tena nahitana fanilikilihana tanteraka.
Manainga ny Iraisam-pirenena, araka izany, ry zareo ireto mba handray ny andraikiny ka hifantoka amin’ireo fifanarahana efa niaingana tany aloha mahakasika ny krizy malagasy. Mba hiantoka tanteraka sori-dalana hifanarahana sy ara-drariny ahitana ny hevitry ny mpifanandrina rehetra fototry ny olana eto Madagasikara ary mba tsy hijery fotsiny ny fandrobana ny harem-pirenena sy fahapotehan’ny toekarena malagasy ataon’ny fitondrana mpanongam-panjakana ary ny fanapotehana ny tontolo iainana ataon’izy ireo koa.
Koa raha tiana ny hiroso amin’ny famahana ny krizy eo amin’ny samy Malagasy eto Madagasikara ao anatin’ny fihavanana malagasy dia tokony ho eto avokoa ireo filohana ankolafy efatra fototry ny disadisa misy eto amin’ny firenena, hoy ny Teza ary tokony hisy ny fampihavanana tanteraka tsy misy fihatsaram-belatsihy eo amin’izy ireo eo anatrehan’ny firenena sy eo ambany fiahian’ny raiamandreny FFKM. Dia mifampidinika in-dray mandeha an-kitsim-po sy ao anatin’ny mangarahara tanteraka izy ireo ary homena fotoana malalaka tsara mba hamoahany fifanarahana politika tena izy. Ary dia izy ireo no handrafitra ny fototra demokratika (lalàmpanorenana, lalàm-pifidianana, lalàna hifehy ny antoko politika izay tena voadinika tsara ary nifanarahan’ny rehetra) mba hisian’ny fototra matanjaka sy mafy amin’ny tontolon’ny politika eto Madagasikara. Miangavy ny Iraisam-pirenena hiantsoroka ny fikarakarana ny fanatanterahana sy fiarovana ny fizotry ny diniky ny samy Malagasy ny antoko Teza no maniry ihany koa ny tohana avy amin-dry zareo mba hisian’ny fifidianana malalaka sy mangarahara ary azo antoka tanteraka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.