Politique

Antoko politika Mijoro ny “Tia Tanindrazana”


  • Alarobia 09 Febroary 2011

Tia Tanindrazana. Antoko vaovao hanova ny tontolo politika eto Madagasikara indray io.

Ny vanimpotoana, ny zava-misy diavin’ny firenena sy ny iainan’ny Malagasy monina ao aminy, ny fivoaran’ny fifandraisana eran’izao tontolo izao dia tokony hanefy toe-tsaina tia tanindrazana, eny mitaky izany mihitsy sy hitia ny vokatra ao aminy ary manome hasina ny mpiara-belona sy ny fampivoarana azy anatin’ny fihavanana. Mazava fa dia hanorina fiarahamonina mirindra sy anjakan’ny fahamarinana no iasany antom-pijoroan’ity antoko ity. Kolontsain’ity antoko ity ny fifamelana sy ny fifanampiana amin’ny lafiny rehetra, na ara-toekarena io ka voakasik’izany ny fihariana, na ara-tsosialy na amin’ny lafiny fanabeazana ihany koa, izany dia mba hisorohana ny fanjanahana mivantana na ankolaka.

Fanoitra lehibe amin’izany ny hisian’ny fisaraham-pahefana mazava sy hananana fitsarana itokisan’ny vahoaka, koa maniry ny fahasahian’ny fitsarana hijoro amin’ny marina fa tsy idiran’ny politika ny Tia Tanindrazana. Ho an’ity antoko ity dia tokony ho azo tsaraina avokoa na iza na iza, na mpitondra na mpanao politika. Izay rahateo no antoky ny fandrosoan’ny firenena. Rehefa matahotra fitsarana ny rehetra dia ho foana miandalana koa ny kolikoly. Amin’ny maha antoko azy dia mivonona amin’ny fisedrana ny safidim-bahoaka koa ny Tia Tanindrazana. Mialoha izany anefa dia mihevitra ity antoko ity fa zava-dehibe ny hisian’ny fanadiovana ny tontolo politika sy ny fomba fanaovana politika ka hametraka ambony ny tsombontsoam-pirenena sy ny tombontsoam-bahoaka.

 Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT