Politique

Antoko politika KMD Hamory olona eny Ambohijatovo


  • Zoma 08 Aprily 2011

Hitaona olona etsy Ambohijatovo hanazava ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny ny antoko KMD (Kiady Malagasin’ny Demokrasia) araka ny nambaran’ny filohany ny Pr Razafinimanana tetsy Andrefan’Ambohijanahary omaly.

 Efa nandefa taratasy any amin’ny Prefen’Antananarivo ry zareo mikasika izany. “Ho avy haneho hevitra izahay ka ho hita eo ny tena fampiharana ny demokrasia eto amintsika”, hoy ny mpandrindra nasionaly Raveloson Louis de Conzague. Ampiharina, hoy izy ilay filamatra hoe : “sahia miteny, ambarao ny hevitrao !”. Na izany aza dia nilaza fa tsy hiaraka amin’ny ankolafy telo mihitsy izy ireo amin’io hetsika io. «Mahatsapa izahay fa voahitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena ary tena latsaka ambany noho ilay sori-dalan’ny SADC ny lalàmpanorenana vao nofidiana farany teo. Mibirioka amin’ny tsy tokony halehany ny tolona. Tsy araka ny nolazaina sy nilokalokana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny zava-misy ankehitriny», hoy hatrany ny filohan’ny KMD, izay nanohy fa tompon’izao fanovana izao koa izy ireo nefa malahelo ka mangataka amin’i Andry Rajoelina hamaly ny fanontaniana mampiahiahy azy ireo fa olona tsy vonona hamaha ny krizy no tafakatra ao an-dapa ka tsy mahagaga raha tsy tafavoaka isika.

Ny  fandrodanana ny jadona no andraikitra nomena ny KMD, hoy ny Pr Razafinimanana, ankoatra ny fanampiana ny andrimasom-pokonolona teny amin’ny toerana nisy ny «pylône» eny Ambohimitsimbina, teny Ambodivona misy ny Radio Viva sy teny Ambatobe. “Diso fanantenana izahay ankehitriny fa natao an-jorombala. Diso fanantenana ny vahoaka efa difotry ny fahantrana ankehitriny. Diso fanantenana amin’ny mpanao politika ny KMD fa ny teo ihany no miverina”, hoy izy.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT