Politique

Antoko MMM Mbola miandry ny volavolan-dalŕn’ny mpanao gazety


  • Talata 01 Martsa 2011


Mbola miandry hatrany ny fikambanana mpanao gazety samihafa hanatitra ilay volavolan-dalàna hifehy ny satan’ny asa fanaovan-gazety na ny fifandraisana amin’ny ankapobeny ny filohan’ny antoko MMM (Malagasy Mivondrona Mitolona), Randriambaomahova Max Halvarie izay mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ka efa nilaza tamin’ny iray volana lasa izay fa vonona ny hitondra izany antontan-taratasy izany hodinihan’ny vaomieran’ny lalàna misy azy eny amin’ity rafitra mpanao lalàna ity. Notsiahiviny fa tokony ho ny mpanao gazety no hitondra ny hevitra ao anatin’izany fa tsy olona misahana asa hafa tsy akory.

Mikasika an’ilay diniky ny mpanao politika nambaran’ny filohan’ny FAT hatao dia nilaza ny fahavononany ny antoko MMM ka ny zavatra antenain-dry zareo hiseho ao amin’izay dinika izay dia ny famahana ny krizy satria tsy eken-dry zareo ny hisian’ny fifandonana eo amin’ny samy Malagasy fa ny dinika an-databatra boribory ihany no tokony hatao. Mangataka kosa anefa ry zareo mba hatao mitovy ny isan’ny mpandray anjara antsoina isaky ny antoko politika ka tokony ho ny filohan’ny antoko tsirairay avy mihitsy no hitarika ny delegasiony avy. Fa hatry ny omaly nifampiresahana aloha dia nilaza ho tsy mbola naharay ny taratasy fanasana mikasika izany ity antoko MMM ity.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT