Politique

Antoko MMM Hanangana kaoperativa hitsinjovana ireo mpikambana


  • Talata 03 Mey 2011

Hanangana kaoperativa hitsinjovana ireo mpikambana ao aminy ato ho ato ny antoko MMM (Malagasy Mivondrona Mitolona) tarihan’ny filohany, Randriambaomahova Max Halvarie.

Eny Anosiala no hisantarana ny fananganana voalohany ny foiben’izany kaoperativa izany mba hanamaivanana ny vesatry ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny noho ny krizy tsy mbola voavaha. Hoentina hamoronana asa ho an’ny mpikambana koa ity kaoperativa ity satria ao ireo manam-paniriana hanokatra trano fivarotana no maka entam-barotra ka hamerina amin’ny fotoana sy fomba hifanarahana sandan’ny entana nalainy. Anisan’ny nivoitra tao amin’ny seminera nokarakarain’ity antoko ity teny Ivato tao anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny asa 1 mey ny alahady teo ity fanapahan-kevitra iray ity ankoatra ny dinika natao amin’ny fanomanana ny fifidianana hifanesy atsy ho atsy izay nahafantarana fa hanolotra kandidà hofidiana Ben’ny tanàna, Mpanolotsain’ny tanàna ary Solombavambahoaka eto Antananarivo sy any Fianarantsoa ary Toamasina sy Toliara ny antoko MMM.

Mbola notsiahivina tamin’ireo mpizaika nahatratra 53 tonga teny Ivato koa, izay nahitana ny solontena avy any amin’ny distrikan’i Moramanga sy Nosy Varika ary Mananjary ankoatra ny avy eto amin’ny Faritr’Analamanga, ny amin’ny foto-kevitra ijoroan’ity antoko ity, ny lalana efa nizorany hatramin’izay niforonany izay sy ny amin’ireo fikambanana politika miara-miasa aminy ankehitriny toy ny Escopol sy ny Udem. Voaresaka tao koa ny amin’ilay sori-dalana natolotry ny Dr Leonardo Simao izay nandraisan’ny MMM anjara ny fanaovana rangopohy azy teny amin’ny ivontoeram-pivoriana iraisam-pirenena teny Ivato.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT