Politique

Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara Mitaky ny hanavaozana ifotony ny CENI


  • Alarobia 23 Febroary 2011


Naneho ny heviny mazava, mikasika ilay sori-dalana nasiam-panitsiana naroson’ny SADC ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, omaly, ka nilazan-dRtoa Sarah Georget Rabeharisoa, fa eken’izy ireo amin’ny ankapobeny izy iny satria hita taratra ao ny hevitry ny Maitso, toy ny hoe «tsy tokony hanao fifanarahana goavana hafa eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny tany, ny rano, ny ala … ny fitondrana tetezamita, fa ny anjarany dia ny fikarakarana ny firosoana amin’ny fifidianana sy ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny, indrindra ny fiaianana andavanandron’ny vahoaka sy ny fijerena manokana ireo tratry ny loza voajanahary». Miaiky anefa ny Maitso fa mbola misy tokony hahitsy iny sori-dalana iny, ary nandroso tolokevitra izy ireo ny hamitana ny fandrafetana sy fanaovana sonia ilay sori-dalana farany ato anatin’ny 15 andro, ka mila manao “conclave” ireo lehibena antoko samihafa miaraka amin’ny mpanelanelana hanao izany sonia farany izany.

Ny soso-kevitra manaraka dia ny tokony hanavaozana hatrany ifotony ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra nasionalin’ny fifidianana tsy miankina na ny CENI sy ny rafitra mifehy azy koa. Nilaza moa Rtoa Sarah Georget Rabeharisoa fa tokony hanana solontena avokoa ireo antoko handrotsaka kandida hofidiana filoham-pirenena, tsy hisian’ny fitanilana. Heverin’ny Antoko Maitso koa fa tsy ampy ny famotsoran-keloka malalaka fa tsy maintsy mandray fepetra hafa toy ny famoahana ny gadra politika rehetra sy famoahana ny haino aman-jery rehetra nakatona mba hisian’ny fahatoniana tanteraka. Dia mila mamaha haingana ny olona mahakasika ny fahalafosan’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao ny mpitondra tetezamita. Farany, dia mbola soso-kevitra avy amin-dry zareo Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara koa ny hampiarahana ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena mba hampihena ny fandaniana sy hialana amin’ny fotoam-pahavaratra.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT