Politique

Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara Miandry ny fanapahan-kevitry ny Troďka SADC


  • Alatsinainy 28 Martsa 2011


Mangataka amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena mba handray fanapahan-kevitra mazava sy hentitra mikasika ny krizy malagasy amin’ny fivoriana izay hataon’ny Troïka SADC amin’ny 31 martsa ho avy izao ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara tamin’ny fanambarana nataon’i Saraha Georget Rabeharisoa, Filoha nasionalin’ny antoko, omaly 27 martsa. Tokony hohafangainina noho izany, hoy izy, ny fizorana mankany amin’ny famaranana ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana hivoahana amin’ny krizy. Satria tsy ny fananganana ny governemanta ihany no voaresaka ao anatin’io sori-dalana io fa ny lalana hizorana ho amin’ny fifidianana koa.

Raha mikasika ny governemanta najoro ny sabotsy teo, dia nanamarika ny Maitso fa tsy nanolotra olona ho mpikambana ao, satria “hitanay fa betsaka ireo hilatsaka hofidiana na ho filoham-pirenena na ho solombavambahoaka. Raha ho tonga anefa ny fifidianana dia tsy maintsy hametraka fialana 60 andro mialoha ny fandatsaham-bato ireo olona ireo. Atahorana noho izany ny fisian’ny fahabanga eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana». «Raha jerena koa ny firafitr’io governementa io dia tsapa fa mbola lavitra ny fampiharana ny fitoviana eo amin’ny fanomezana andraikitry ny lahy sy ny vavy eo amin’ny fitantanana ny firenena», hoy i Saraha Georget Rabeharisoa.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT