Samy manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ireo antoko politika, ka ho an’ny antoko Harena izao, araka ny nambaran’i Mahatovo Henri, sekretera jeneraliny, dia mazava ny resaka fa nesorina tamin’ny fomba tsy demokratika sy tsy araka ny lalàna ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary mbola azo iadian-kevitra tsara ihany koa ny niakaran’i Andry Rajoelina teo amin’io fahefana faratampony io ary izany no mahatonga izao tontolo izao tsy mbola manaiky amin’ny fomba ofisialy ny fijoroan’ny fitondrana tetezamita sy tsy mampiverina ny fanampiana avy any ivelany. Tsy misy afa tsy ny fifidianana no hamahana tanteraka ny krizy ho an’ny antoko Harena.
Sarotra ihany anefa ny hahatongavana amin’izany raha mbola misy ny ahiahy tsy hihavanana. Izay, araka ny nambaran’i Mahatovo Henri no tsy maintsy handaminana tsara ireo rafitra rehetra ao anatin’ny tetezamita, indrindra fa izay hikarakara mivantana ny fifidianana, satria raha vao io no tsy mazava dia ho avy indray ny korontana noho ny fizotry ny fifidianana sy ny voka-pifidianana, ohatra. Ho an’ny antoko Harena ary dia mila manana solontena ao anatin’ireo rafitra misy sy mijoro ny ankolafy tsirairay avy, ary tsy hoe olona noterena niditra tao izy io, na notambazana vola na noho ny tahotry ny higadra, fa tena nahazo tsodrano avy amin’ny lehiben’ilay ankolafy niaviany, taorian’ny fifanarahana mazava teo amn’ny ankolafy rehetra. Izay no tena vahaolana mahomby raha ny fahitan’ity antoko ity azy ary tokony hikaroka haingana ny lalana hahatongavana amin’izany ireo mpanao politika Malagasy fa tsy variana miady seza sy mifanenjika fotsiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.