“Tsy maintsy faranana amin’ity taona 2011 ity ny krizy eto Madagasikara. Efa miray feo amin’izany rahateo ny mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana».
Izay no nambaran’i Tovonanahary Rabetsitonta ny sabotsy 12 desambra teo, teny Soavimbahoaka, nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona 2011 nifanaovan’ny Grad/Iloafo sady fanokafana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko. Ity no krizy faha-5, taorian’ny 1972, 1981, 1991 sy 2002, sady lava indrindra no nampangirifiry ny Malagasy, hoy ity filoham-boninahitra ny Grad/Iloafo ity. Sempotra ary vizana ny maro an’isa amin’ny Malagasy, satria sady misondrotra andro aman’alina ny vidim-piainana no mandry tsy lavo loha noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Fa ny tena loza mitatao amintsika amin’ity taona ity, hoy Rabetsitonta dia ny mosary ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro izay “i Madagasikara no firenena fahatelo manerana izao tontolo izao mizaka ny fiantraikany”.
Koa tokony hatsahatra ny ady seza sy ny fiarovan-tseza avy amin’ny ankolafiny rehetra, izay mampitarazoka ny krizy, fa ny famonjena ny aim-bahoaka no tokony ho imasoan’ny rehetra amin’ity taona ity, hoy izy. Eo anatrehan’izany dia tokony hampandefitra ny hambom-po sy ny tendrom-po tsy mba namana ny mpifanandrina sy ireo mpiandany aminy avy, hoy Rabetsitonta, ka hifanatona sy hifamela heloka mba hamitranana indray ny fihavanam-pirenena saika rava tanteraka. Tao anatin’ny fanambarana faha-12 nataony io sabotsy io, ny Grad/Iloafo, dia mbola manamafy ny fitakiany ny hamoahana ny gadra politika rehetra ary ny fanomezana ny famelan-keloka faobe hampitony ny rivotra politika eto Madagasikara. Tokony hatsahatra ny fanenjehana sy ny fisamborana ny mpanohitra, hoy ny Grad/Iloafo ary omena sata manokana izy miaro ny zony hanaovany fanehoan-kevitra malalaka am-pilaminana tsy misy herisetra. Ho fanatanterahana izany dia mitaky ny fanafoanana ny lalàna rehetra manohintohina ny fahalalahan’ny rehetra maneho hevitra politika ampahibemaso ity antoko ity.
Manao antso avo amin’ny raiamandreny am-panahy koa izy ireo hanatona ny fitondram-panjakana amin’ny fomba hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena sy hiantohana ny fahafahan’ny rehetra maneho ny heviny ampahibemaso. Rehefa tanteraka ka ho tony ny rivotra politika dia mitaky ny hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana oktobra 2011 ny Grad/Iloafo ho famaranana ny krizy. Amin’ity antoko ity dia ny fifidianana filoham-pirenena no tokony hotanterahina voalohany indrindra mba hamaranana haingana ny krizy ary hametrahana fitondrana marin-toerana eto Madagasikara.
Miantso an’i Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana hanambara mazava izay tena hevitr’izy ireo raha ho kandida na tsia. Tokony hametra-pialana i Andry Rajoelina raha hirotsaka hofidiana, hoy Rabetsitonta. Hanamora ny fivoahana amin’ny krizy koa raha toa ka mandefitra amin’izany ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ihany izy. Fifidianana mangarahara tsy misy hala-bato no tsy maintsy tanterahina mba hialana amin’ny krizy vaovao indray. Fa raha tsy izay, hoy Rabetsitonta Tovonanahary, dia hijoro ary izy ireo mihitsy no hitarika olona eny an-dalambe. Ny kongresin’antoko hatao any Ambatolampy amin’ny volana aogositra ho avy izao no hamaritra na handrotsaka kandida na hanohana olona ny Grad/Iloafo amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.