Politique

Antoko FAFI Hiatrika fifidianana eo ambany elatry ny UDR Fanovana


  • Alarobia 18 Mey 2011

“Tsy misy afaka hitondra samirery eto fa efa izay no nahavoa ny teo aloha”, hoy i Naivo Raholdina, filoha nasionalin’ny Antoko FAFI.

 Izany no nahatonga an-dry zareo hialoka ao anatin’ny vondrona politika UDR Fanovana amin’ny fiatrehana ny fifidianana ho avy. Izy rahateo araka ny nambarany dia mpikambana mpanorina ity vondrona ity. Ao anatin’izany anefa dia nambaran’i Naivo Raholdina fa mahaleotena tanteraka ny FAFI ary ho kandida solombavambahoaka eny amin’ny Boriborintany faha-5 eny ny tenany. “Tsy misy olana ara-politika izany eto”, hoy izy,  fa olana ara-tseza”. Efa vonona tanteraka hiatrika izany fifidianana izany ry zareo fa ny fifidianana dia efa fifampiresahana amin’ny vahoaka raha ny nambaran’ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ity ihany. Eo amin’izay sehatra izany indrindra dia vao tamin’ny herinandro lasa teo iny ny lehilahy no lany ho filohan’ny vaomieran’ny fotodrafitrasa, ny fitsinjaram-pahefana, ny fitantanan-tany ary ny fanajariana ny tany sy ny atiny. Efa manana birao fiasana ao Anosikely ao izy araka izany fa tsy mindrana ny eny amin’ny biraon’ny fananan-tany toy ny teo aloha intsony. Tonga dia nijery ny olana ifotony eo amin’ity fananan-tany ity izy satria an’arivony, hoy izy, ny fitarainana voaray mahakasika azy io eny amin’ny ministeran’ny mponina. Miseho lany koa ny fandrodanana trano etsy sy eroa tato ho ato noho io resa-tany io ihany. “Efa misy volavolan-dalàna hanovana ny lalàna mikasika ity fananan-tany ity, hoy i Naivo Raholdina fa miankina amin’ny fitateran’ny minisitry ny fanajariana ny tany azy io eo anivon’ny filankevitry ny governemanta no hahazoana mandefa izany hodinihana eny anivon’ny Parlemanta mpanao lalàna.

Nanome fanamarihana manokana i Naivo Raholdina ho setrin’ny feo miely fa tsy manao n’inona n’inona ny CST rehefa tsy misy fivoriana atrehana, fa manara-maso ny mpanatanteraka aloha no andraikitra voalohany indrindra sahanin’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ary rehefa tsy ao anatin’ny fotoam-pivoriana ry zareo dia midina any amin’ny toerana misy azy avy, mandray ny olana mivantana eny amin’ny mponina ka mitondra izany eo anivon’ny mpanatanteraka na mamadika ireny ho lalàna aza raha misy ilana izany.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT