Politique

Antoko “Avotra ho an’ny Firenena”: Diso lalana avokoa ireo mpanao politika malagasy


  • Talata 01 Febroary 2011

Maniry toy ny anana ireo antoko politika tao anatin’izao tetezamita izao. Ny 2 desambra lasa teo no nahazo ny taratasy manamarina ny fitsanganany ny antoko “Avotra ho an’ny Firenena” izay manana fomba fijery hafa tanteraka.

Ho an’ity antoko ity mantsy dia diso lalana ka very avokoa ireo mpanao politika rehetra ao anatin’ny fikaroham-bahaolana amin’izao krizy izao. “Tsy mahagaga raha tsy mbola mivaha ny olana satria tsy fantatr’izy ireo ny tena antony. Tandindony fotsiny ny krizy 2009 fa efa tany amin’ny taona 1800 no misy fatorana mila vahana momba ny fifandraisan’ny samy Malagasy”, hoy i Laza Razafiarison, Sekretera jeneralin’ny antoko.

Ho azy dia mila ovaina tanteraka ny rafi-pitantanana rehetra eto amin’ny firenena manomboka amin’ny fanavaozana ny lafiny fananantany. “Mahasarotiny ny Malagasy io resaka io. Misy Malagasy sasany no mbola mandrara ny fidiran’ny Merina any amin’ny taniny noho ny tahotra sao lasan’ity farany, hono, ny fananany. Niaraha-nahita koa ny zava-niseho tamin’ireny resaka fikasana fanofana tany an-tapitrisany hektara ny orinasa Daewoo ireny. Farany dia ampahany vitsy amintsika koa no manana taratasy ara-panjakana amin’ny taniny” raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny “Avotra ho an’ny Firenena” ihany. Nanamafy kosa ny filohan’ny antoko, Razafimanatany Emile fa ny fandaminana ity resaka tany ity no famahana olana voalohany izay arahan’ny fampihavam-pirenena ara-piarahamonina sy kolontsaina ary ny fanitsiana koa ny politika ivelan’ny firenena.

 Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT