Politique

Antoko anelanelan-trano


  • Zoma 25 Febroary 2011

Tsy mitsaha-mitombo isa ny antoko politika eto Madagasikara. Manao be fiavy anefa ireo vao niforona ary mazàna dia izy ireny indray no misalovana ireo antoko efa nisedra fifidianana teto.

Mivondrombondrona anatina sehatra ifanakalozana ny sasany dia manao fanambarana etsy sy eroa. Misavorovoro be ihany ny saim-bahoaka eo anatrehan’izany. Rehefa tomorina ireo mpanao fanambarana ireo, dia saika antoko niforona tato anatin’izao krizy izao, tsy vitan’izay fa ny ankamaroany dia teraka vokatry ny fisamatsamahan’ny ankolafy Rajoelina, rehefa nilaza fa hisintaka amin’ny fitarihana izany ankolafy izany ity farany. Milaza ho antoko moa izy ireny, nefa tsy mazava akory izay tena fotokevitra ijoroan’ny ankamaroany, ary na teti-pampandrosoana aza tsy ananany akory, fa dia manenjika fizarana seza fotsiny ny ankamaroany. Ankoatra izay dia na any amin’ny hotely na any an-tranon’ny filohan’ilay antoko no foibeny. Tsy mahagaga raha sokajian’ny olona ho antoko anelanelan-trano izy ireo, ka manalasalasa ihany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT