Politique

Ankolafy telo nitety ny SADC Nahomby ny dia, fanambarana lehibe anio


  • Alatsinainy 21 Martsa 2011

Tafaverina an-tanindrazana omaly alahady 20 martsa ireo delegasion’ny Ankolafy telo rehefa avy nitety ireo firenena mpanapa-kevitra eo anivon’ny SADC, mpikamban’ny Troïka, nandritra iny herinandro nivalona iny.

Nandrafitra ity delegasiona ity Atoa isany Henri Roger Ranaivoson sy Roland Ravatomanga (Ankolafy Ravalomanana), Dr Manoro Régis (Ankolafy Zafy), Razafimahefa Monfort (Ankolafy Ratsiraka) ary i Benjamin Andriamihanta izay mpahay lalàna. Tany Lusaka (Zambia) no nisantaran’ny delegasiona ny dia ny alarobia rehefa niainga tao Afrika Atsimo. Ny filoha zambiana rahateo no mitarika ny Troïkan’ny SADC. Ny filoha Afrikana tatsimo no filoha lefitra voalohany ary ny filoha Mozambikana no filoha lefitra faharoa satria telo izy ireo no mpikambana amin’io rafitra mpanapa-kevitry ny SADC io. Nihazo an’i Gaborone (Botswana) indray ny delegasiona ny zoma. Ao Gaborone, tsiahivina ihany no misy ny foiben-toeran’ny SADC. Araka ny fantatra dia fandraisana feno, fanome ny delegasionim-panjakana manao fivahinianana ofisialy no nitsenana ireto iraky ny Ankolafy telo ireto tamin’ireo firenena ireo.

Izay no tanteraka dia efa noho ny taratasy fampahafantarana ny dian’izy ireo nataon’ny filoha Ravalomanana Marc tamin’ny anaran’izy telo filoha mitarika ny ankolafy telo. Voaporofo eto indray fa dia filoham-pirenena feno no andraisan’ireo filoham-panjakana eo anivon’nuy SADC ny filoha Marc Ravalomanana. Nanao tatitra tamin’ity farany ny vokatry ny dian’izy ireo ny delegasiona ny harivan’ny sabotsy 19 martsa teo, fotoana nahatongavan’izy ireo indray tao Johannesbourg. Anisan’ireo mpaniraka rahateo ny filoha Ravalomanana ka rariny loatra io tatitra io. Narahina dinikasa avy hatrany moa izany. Araka ny fantatra dia efa nampahalalana ny vokatry ny dian’izy ireo ny filoha Didier Ratsiraka. Anio maraina kosa no hihazo ny «Villa La Franchise» eny Ivandry hanao tatitra amin’ny filoha Zafy Albert ireto delegasiona ireto. Aorian’ity fihaonana amin’ny Pr Zafy ity no fantatra fa hitatitra amin’ny mpampahalala vaovao ny vokatry ny dian’izy ireo tany ireto iraka ireto, izay dia mety harahin’ny fanambarana lehibe hataon’ny Pr Zafy Albert. Na tsy mbola nambara aza anefa dia tsinjo ihany fa fahombiazana ny dian’ireto delegasiona ireto tany Afrika Atsimo tany raha tarafina tamin’ny zava-nitranga tato ho ato. Voalohany, foana ary nahemotra ho amin’ny 31 martsa ny fivorian’ny Troïka SADC tokony ho natao ny 18 martsa teo, izay voalahatra ho anisan’ny lahadinika nivoriana ary tokony ho nandraisana fanapahan-kevitra tao ny amin’ilay sori-dalana naroson’ny Dr Simao natao rangopohy tamin’ny 09 martsa.

Sady tsy nanome fanazavana no tsy nanao fanambarana ny anton’ny fanemorana ny Troïka na ny SADC, saingy maro no resy lahatra fa vokatr’ity dia nataon’ny Ankolafy Telo ity no anton’io fanemorana io hahafahan’izy ireo mandinika tsara. Faharoa : ny Frantsay tamin’ny fanambarana nataon’ny Quai d’Orsay ny 17 martsa dia milaza mazava na tamin’ny fomba diplaomatika aza fa miankina amin’ny fankatoavan’ny rafitra mpankato eo anivon’ny SADC ilay sori-dalana ny fananganana governemanta, mba tsy hilazany mivantana fa tsy izy io miseho ankehitriny io. Fahatelo : nanova zavatra betsaka ny zava-mitranga any Libia. Ny Frantsay no firenena voalohany nankato ny mpanohitra ny fitondran’i Moumar Kadhafi. Lasa tany New York mihitsy i Alain Juppé, ministry ny raharaham-bahiny, nandresy lahatra ny teo anivon’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana,

mba hidirana amin’ny fampiasan-kery any Libia hanakanana ny famonoana sivily ataon’ny miaramilan’i Kadhafi. Nanapa-kevitra fa hiroso amin’izay fampiasan-kery izay ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Sarotra amin’ny Frantsay anefa no tonga dia hijabaka aty Afrika raha tsy mahazo tsodranon’ny Vondrona Afrikana. Manana lanja lehibe eo anivon’ity Vondrona ity anefa i Afrika Atsimo, noho izy anisan’ireo firenena 20 matanjaka ara-toekarena indrindra eran’izao tontolo izao. Na tsy nambarambara aza dia nisy fifanekena miafina tao, ka nitarika iny fanambaran’ny Frantsay tamin’ny alakamisy iny. Raha ireo teboka telo ireo no iaingana dia kaontin’ny vita hatreo ny tantaran’iny sori-dalana natao rangopohy teny Ivato iny, ary mety hanaraka azy koa ny Dr Leonardo Simao niketrika azy iny.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Sary : Fihaonan’ny delegasion’ny Ankolafy Telo tamin’ny Filoha Ravalomanana tao Johannesbourg ny sabotsy 19 martsa 2011

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

Hijery ny tohiny
FTT