Politique

Ankolafy telo Nanamafy ny firaisankinany


  • Alatsinainy 21 Febroary 2011


Ambohipihaonan’ny Ankolafy telo teny Ivato ny sabotsy 19 febroary teo, andro voatondro ary nantenain’izao tontolo izao, fa hiverenan’ny filoha voafidim-bahoaka, Ravalomanana Marc an-tanindrazana. Tazana teny Ivato avokoa ireo mpitarika ny ankolafy isany, Ravalomanana, nahitana an’i Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina, Rolland Ravatomanga, ny ankolafy Zafy, izay izy tenany mihitsy no tonga teny Ivato nitarika delegasiona niaraka tamin-dry Dr Emmanuel Rakotovahiny. Ity farany izay nampahatsiahy fa tsy hay tohaina ny hetsi-bahoaka rehefa hitroatra izy, toy ny tamin’ny 1971, 1991. Tazana teny Ivato ihany koa Rtoa Ramisandrazana nitarika ny avy Amin’ny ankolafy Ratsiraka. Na tsy tonga aza ilay nandrasana, noho ny sakantsakana tamin’ny fomba samihafa nataon’ny FAT, dia vao mainka nanamafy ny firaisankinan’ny Ankolafy telo ny zava-nitranga tamin’ny sabotsy iny.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT