Politique

Ankolafy telo Hiroso amin’ny diabe anio


  • Alarobia 09 Martsa 2011

Hanamarika ity andro anio ity ny diabe hataon’ny Ankolafy telo.

Araka ny fanazavana nentin’i Tabera Randriamanantsoa mantsy dia raikitra amin’ity alarobia 09 martsa ity ny fanaterana ny antontan-taratasy any amin’ireo masoivohom-pirenena samy hafa eto an-drenivohitra, milaza amin’ny ankapobeny fa sady tsy ara-dalàna no tsy manan-kery io fitondrana mijoro ankehitriny io, araka izay efa nambaran’ny Profesora Zafy Albert, teny amin’ny “Villa Elisabeth” ny alarobia 02 martsa lasa teo.

Teo anatrehan’ny vahoaka an’arivony no nilazan’ity rain’ny demokrasia ity fa «tsy misy fitondrana ara-dalàna eto», ary «efa ela i Andry Rajoelina no tsy tokony hitondra» an’ity Madagasikara ity. Nambarany tamin’izay koa fa tsy ara-dalàna ary tokony horavana ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ary niantsoany ny tafika mihitsy moa hanidy ireo. Rehefa izay dia nambaran’ny Pr Zafy Albert, izay nitondra teny ny Ankolafy Telo, fa hisy taratasy haterin’ny delegasiona avy amin’izy ireo any amin’ny masoivohon’ny Firenena Mikambana eny Andraharo ary amin’ireo masoivohon’ny firenena lehibe. “Io taratasy io dia mirakitra ny filazana ny antonanton’ny ilana fifanarahana vaovao mba hivoahana amin’izao krizy izao”.

Raha nanontaniana mikasika an’izay i Tabera Randriamanantsoa, dia nilaza fa “hatomboka ao amin’ny masoivohon’i Alzeria ny fanaterana io taratasy io”, amin’ity anio ity. Ny antony araka ny nambarany dia “ny masoivohon’i Alzeria no zokiolona indrindra (ambasadaoro ela niasana teto) amin’ireo masoivohon’ny firenena vahiny miasa sy monina eto Madagasikara”. Raha tsy misy ny fiovana dia hisy ny diabe miala ao amin’ny Magro hihazo ny masoivohon’i Alzeria, ho fanatanterahana izany. Tsy lavitra fa arabe rahateo no manelanelana ireo toerana ireo. Araka ny fantatra dia mety ho ny sabotsy kosa no hihazo ny masoivohon’i Etazonia eny Andranomena izy ireo.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT