Politique

Ankolafy telo Hijoro handray ny andraikiny


  • Talata 01 Martsa 2011

Ho ambohipihaonan’ny Malagasy, fiarahamonim-pirenena, fikambanana samihafa, indrindra ireo mpanao politika indray etsy amin’ny Villa Elisabeth Ivandry rahampitso alarobia 02 martsa 2011.

Hisy hetsika lehibe hotanterahina eny an-toerana, ka ny Profesora Zafy Albert no hijoro handray ny andraikiny amin’izany. Ny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mihitsy no fantatra fa andrasana eny rahampitso. Tsy kisendrasendra ny safidy io andro io fa andaniny raha amin’ny andro malagasy dia alarobia tsy miverina io, fa ankilany indray dia hifanontona amin’ny andro kasain’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT, hamoriana mpanao politika koa io. Mazava fa dia hanana endrika fampitaha politika izany ity andro rahampitso ity. Ho an’ny Ankolafy telo anefa dia mazava ny resaka tiany hahatongavana amin’io dia ny haneho eo imason’izao tontolo izao fa maro an’isa ny Malagasy tsy mankasitraka izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, ka te hamarana ny krizy anatin’ny fametrahana tetezamita iaraha-mitantana.

Fientanam-be no teny manainga ity fihaonana rahampitso ity, ka ny hamerina ilay firohotana nahavoriana olona ana hetsiny teny Ivato tamin’ny 19 febroary, voatondro hitsenana ny filoha Marc Ravalomanana, no tanjon’ny mpikarakara amin’izany. Hisy ny loabary an-dasy mikasika ny raharaham-pirenena hatao mandritra ny fotoana, harahin’ny fanambarana fanoherana ireo zava-mamoafady rehetra mifanohitra amin’ny demokrasia sy manosihosy ny zon’olombelona ary ny fanapotehana ny firenena ataon’izao fitondrana niforona teny an-dalambe izao. Tsiahivina fa fony mbola teny an-dalambe, ka nanandra-tena ho filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita i Andry Rajoelina dia efa nilaza ny Pr Zafy Albert fa tsy mankato izany ary mbola tanany izany satria fahefana natolotra ny an’i Andry Rajoelina.

Tsy afaka mitantana samirery ny tetezamita izy fa tsy maintsy iaraha-midinika ny amin’izany, ary izay indrindra no anton’ity fihaonana ity, tohin’ny tao amin’ny Carlton farany teo. Hentitra ny Pr Zafy Albert nilaza fa maro ny lesona azo tsoahina tamin’ny andron’ny Hery Velona momba ny tetezamita ka tsy tokony hiziriziry na hihevi-tena ho mahavita mitondra irery ity firenena ity i Andry Rajoelina sy ny ankolafiny. Efa tonga hatrany amin’ny fampitandremana an’i Andry Rajoelina ny Pr Zafy Albert raha nilaza fa nandefitra ny ankolafy tarihiny hatrizay koa raha misy ny fiziriziriana dia mba afaka manangana ny governemantany koa izy, «zonay izany satria manana ny mpomba anay koa izahay», hoy ny Profesora saingy mbola misy ny ala nenina.

Mbola misy rahateo ny dinika an-databatra boribory izay hiarahan’ireo lehibena ankolafy sy ireo mpitarika antoko matanjaka miaraka amin’ny vondrona SADC hamoahana sori-dalana ifanarahana hirosoana amin’ny tetezamita iaraha-mitantana araka ny votoatin’ny fihaonana nifanaovan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Joaquim Chissano tao Sandton Afrika Atsimo ny sabotsy 26 febroary lasa teo. Araka ny fantatra dia hampahafantarina misimisy kokoa mandritra ity fientanam-be hatao eny amin’ny Villa Elisabeth Ivandry rahampitso ity ny votoatin’izay. Mazava amin’io fa tsy hanatrika ilay fivoriana kasain’ny filohan’ny FAT hotanterahina rahampitso ka hiantsoany ireo mpanao politika ny Ankolafy telo. Ny antony, araka ny nambaran’ny mpitondra teny, dia noho ny tsy fankatoavan-dry zareo an’ilay sori-dalan’ny SADC izay mbola maro ny fanitsiana tokony hatao ao aminy ka hilana fiaraha-midinika.

 
Jean D. sy Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT