Miova ny endriky ny tolona amin’ny herinandro ambony, hoy ny Senatera Jean Louis Rakotoamboa teny amin’ny Kianjan’ny finoana Magro Behoririka omaly.
Hanao rodobe hanatitra taratasy any amin’ny masoivoho amerikanina Andranomena izy ireo araka ny nambarany. “Manome toky anareo izahay fa tsy maintsy mifarana ny fitondran-dRajoelina amin’ity volana mey ity”, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame. Fitondrana tsy mahavaha olana io, hoy izy nanohy ny teniny. Nasiany resaka ny hetsiky ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ka nilazany fa tsy misy resaka politika ny fitakian’ny mpianatra eny Ankatso. Malahelo ny vola laniny izy ireo, malahelo toy izany koa ireo ray aman-dreny. Hatramin’izao dia mbola derain’izao tontolo izao ny hetsiky ny ankolafy 3, hoy hatrany ny Pasitera Edouard. Mirehareha anefa ny FAT fa milamina ny tanàna satria isika hendry. Raha mbola manan-kery ny lalàna hoe fahotana mahafaty ny manongam-panjakana dia mangataka amin’ny iraisam-pirenena isika hisambotra izay nanao izany, hoy i Jeanson. Andao isika hangataka amin’ny Pr Zafy hoe aza andrasana ny 20 mey ny fanaovana izany fa mijaly ny vahoaka, fiverimberiny feo tao amin’ny Magro omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.